client_id
stringlengths
21
21
path
stringlengths
42
42
sentence
stringlengths
2.41k
10.3k
up_votes
int64
0
0
down_votes
float64
age
float64
gender
float64
accents
stringclasses
1 value
variant
float64
locale
stringclasses
1 value
segment
float64
at01-Genesisy_toko_44
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_44.wav
Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe: Fenoy hanina ny lasakan'ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary ataovy eo am-bavan'ny lasakany avy ny volan'ny isan-dahy; 2 ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan'ny lasakan'ilay faralahy mbamin'ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain'i Josefa. 3 Ary raha vao nazava ny andro, dia na­mpandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny. 4 Ary rehefa tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana hianareo namaly ratsy ny soa? 5 Tsy iny va no fisotroan'ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao. 6 Dia nahatratra azy ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy. 7 Ary hoy izy ireo taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? sanatria amin'ny mpanomponao ny hanao zavatra toy izany. 8 Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan'ny lasakanay aza naverinay indray taty aminao avy tany amin'ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin'ny tranon'ny tomponao? 9 Izay anankiray amin'ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia ho andevon'itompokolahy. 10 Dia hoy izy: Aoka ary hatao araka ny teninareo: izay hahitana izany dia ho andevo­ko; fa hianareo tsy hanan-tsiny. 11 Ary samy nampidina faingana ny lasa­kany tamin'ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy. 12 Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka tamin'ny lahimatoa no nano­mbohany, ary tamin'ny faralahy no niafara­ny, ka tao amin'ny lasakan'i Benjamina no nahitana ilay kapoaka. 13 Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin'ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna. 14 Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon'i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin'ny tany teo anatrehany. 15 Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa? 16 Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin'itompokolahy? inona intsony no hola­zainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon'itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy. 17 Nefa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho andevoko; fa hianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin'ny rainareo. 18 Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan'itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin'ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an'i Farao hianao. 19 Itompo­kolahy nanontany ny mpanompony hoe: Manan-dray na rahalahy koa va hianareo? 20 Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian'ny rainy izy. 21 Ary hianao nanao tamin'ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan'ny masoko. 22 Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Ny zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha misaraka amin-drainy izy, dia ho faty rainy. 23 Ary hoy hianao tamin'ny mpano­mponao: Raha tsy hiara-midina aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony hianareo. 24 Ary rehefa tafakatra tany amin'ny mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny tenin'itompokolahy. 25 Dia hoy ny rainay: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika. 26 Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy. 27 Dia hoy ny mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko efa niteraka roa lahy tamiko; 28 fa lasa niala tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola hitako mandraka ankehitriny izy; 29 ary raha halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia hampidininareo any amin'ny fiainantsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko. 30 Koa ankehitriny, raha tonga any amin'ny mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin'ny ain'ny zaza), 31 koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin'ny mpanomponao rainay ho any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo. 32 Fa ny mpanomponao efa niantoka ny zaza tamin'ny raiko ka nanao hoe: Raha tsy ho entiko aty aminao izy, dia ho meloka amin'ny raiko amin'ny andro rehetra hiainako aho. 33 Koa ankehitriny, trarantitra hianao, aoka ny mpa­nomponao hitoetra ho andevon'itompoko­lahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin'ny rahalahiny. 34 Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin'ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_18
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_18.wav
1 ARY Jehovah niseho tamin'i Abraha­ma teo an-kazo terebintan'i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy, raha nafana ny andro; 2 dia nanopy ny maso­ny izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran'ny lainy ka nlhazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin'ny tany 3 ka nanao hoe: Tompo ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, masìna hianao, aza dia mandalo ny mpanomponao. 4 Aoka hangalana rano kely hianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo hianareo; 5 dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany hianareo; fa tonga aty amin'ny mpanomponareo hianareo. Ary hoy izy telo lahy: Ataovy ihany araka izay nolazainao. 6 Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin'i Saraha ka nanao hoe: Faingana, maka koba tsara toto intelon'ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo. 7 Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin'ny omby, dia naka zanak'omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin'ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy. 8 Ary Abrahama naka ronono mandry sy rono­no ary ilay zanak'omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan'izy telo lahy; ary nianona teo anilany teo ambanin'ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy. 9 Ary hoy izy telo lahy tamin'i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy. 10 Ary hoy Izy: Hive­rina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay teo ivohon'Ilay niteny. 11 Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin'ny fombam-behivavy Saraha. 12 Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy? 13 Ary hoy Jehovah tamin'i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao? 14 Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Amin'ny fotoan'andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy. 15 Dia nandà Saraha satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy hianao. 16 DIA nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia nitsinjo an'i Sodoma; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy. 17 Ary Jehovah nanao hoe: Hafeniko amin'i Abrahama va izay hataoko? 18 Fa Abraha­ma ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 19 Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany ma­ndimby azy hitandreman'ireo ny lalàn'i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran'i Jehovah amin'i Abrahama izay efa nolazainy taminy. 20 Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan'i Sodo­ma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny faho­tany dia mavesatra indrindra; 21 hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan'ny tany, izay efa tonga aty amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro. 22 Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan'i Jehovah. 23 Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin'ny meloka va ny marina? 24 Angamba misy olo-marina di­mam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàana noho ny dimam-polo marina izay ao? 25 Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra? 26 Ary hoy Jehovah: Raha mahita dimam-polo marina ao an-tanàna Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny tanàna rehetra noho ireny. 27 Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona: 28 Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao. 29 Dia, mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo. 30 Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao. 31 ArY hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringa­na azy Aho noho ny roa-polo. 32 Ary hoy izy: Aoka anie mba tiy ho tezi­tra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo. 33 Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin'i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin'ny fonenany.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_14
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_14.wav
1 ARY tamin'ny andron'i Amrafela. mpanjakan'i Sinara, sy Arioka, mpa­njakan'i Elasara. sy Kedorlaomera mpanjakan'i Elama. ary Tidala. mpanjakan'ny Goima, 2 dia nandeha izy ireo ka nanafika an'i Bera, mpanjakan'i Sodoma. sy Birsa, mpanjakan'i Gomora. sy Sinaba, mpanjakan'i Adma, sy Semebera, mpanjakan'i Zeboima, ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany). 3 Ary ireo rehetra ireo dia nanao fotoana ka nivory tao an-dohasahan'i Sidima (dia ny Ranomasintsira izany). 4 Fa efa nanompo an'i Kedorlaomera roa ambin'ny folo taona ireo, fa tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo kosa dia niodina izy. 5 Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo dia tonga Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy ka name]y ny Refaita tany Astartakarnaima sy ny Zozima tany Hama ary ny Emima tany Save-kiriataima 6 ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seira hatrany El­parana, izay eo ani1an'ny efitra. 7 Dia nive­rina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an'ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara. 8 Dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora sy ny mpanjakan'i Adma sy ny mpanjakan'i Zeboima ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin'ireo teo an-dohasahan'i Sidima, 9 dia tamin'Kedorlaomera, mpanjakan'i Elama, sy Tidala, mpanjakan'ny Goima sy Amrafela, mpanjakan'i Sinara ary Arioka, mpanjakan'i Elasara; dia mpanjaka efatra no niady tamin'ny mpanjaka dimy. 10 Ary ny lohasahan'i Sidima, dia be lavak'asfalta, ary nandositra ny mpanjakan'i Sodo­ma sy ny mpanjakan'i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra. 11 Ary izy ireo namabo ny fananana rehetra tao Sodoma sy Gomora ary ny hanina rehetra. dia lasa nandeha. 12 Ary namabo ny zana-drahalahin'i Abrama koa izy, dia Lota, mbamin'ny fananany, dia lasa nandeha; fa nonina tao Sodoma koa Lota. 13 Ary tonga ny anankiray izay efa nando­sitra ka nanambara tamin'i Abrama Hebreo izay nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre Amorita, rahalahin'i Eskola sy Anera; fa ireo dia olona efa vita fanekena tamin'i Abrama. 14 Ary raha nahare Abrama fa lasan-ko babo ny rahalahiny dia nitondra ny ompikeliny valo ambin'ny folo amby telon-jato izy, izay efa nahay niady. ka nanenjika hatrany Dana. 15 Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr'i Damaskosy. 16 Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fanana­ny dia nampodiny koa mbamin'ny vehivavy sy ny vahoaka. 17 Dia nivoaka ny mpanjakan'1 Sodoma hitsena an'i Abrama teo an-dohasaha Save (Lohasahan'ny mpanjaka izany), rehefa niverina izy avy nandresy an'i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka nomba azy. 18 Ary Me1ki­zedeka, mpanjakan'i Salema, nivoaka nito­ndra mofo sy divay; ary izy dia mpisoron'Andriamanitra Avo Indrindra. 19 Dia nitso­drano azy Izy ka nanao hoe: Hotahin'Andriamanitra Avo indrindra anie Abrama, dia Andriamanitra Izay nahary ny lanitra sy ny tany; 20 Ary isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, Izay efa nanolotra ny fahavalonao teo an-tànanao. Dia nomen'i Abrama azy ny ampahafolon'ny zavatra rehetra. 21 Ary hoy ny mpanjakan'i Sodoma tamin'i Abrama: Omeo ahy ny olona, fa ny fananana ento ihany ho anao. 22 Fa hoy Abrama tamin'ny mpanjakan'i Sodoma: Izaho efa nanan­gan-tànana tamin'i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany, 23 fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin'izay rehetra mety ho anao andrao hataonao hoe: Izaho no na­mpanan-karena an'i Abrama), 24 afa-tsy izay efa nohanin'ny zatovo sy ny anjaran'ny olona izay niaraka tamiko, dia Anera sy Eskola ary Mamre; aoka horaisin'ireo ny anjarany.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_21
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_21.wav
1 ARY Jehovah namangy an'i Saraha araka ilay efa nolazainy, ary dia nataon'i Jehovah tamin'i Saraha araka i1ay efa noteneniny. 2 Dia nanan-anaka Saraha ka nitera­ka zazalahy tamin'i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin'ny fotoana izay efa nolazain'Andriamanitra taminy. 3 Ary ny anaran'ny zanany izay teraka, ilay naterak'i Saraha taminy dia nataon'i Abrahama hoe Isaka. 4 Dia noforan'i Abrahama Isaka zanany, rehefa teraka havaloana izy, araka izay efa nandidian'Andriamanitra azy. 5 Ary efa zato taona Abrahama, raha niteraka an'i Isaka zanany izy. 6 Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko. 7 Ary hoy koa izy: Nampoizin'iza akory moa no hilaza amin'i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy. 8 Ary rehefa lehibe ny zaza, dia nota­zana; ary Abrahama nanao fanasana lehibe tamin'ny andro nanotazana an'Isaka. 9 Ary Saraha nahita fa nihomehy ny zanak'i Hagara Egyptiana, izay efa naterany tamin'i Abrahama. 10 Dia hoy izy tamin'i Abraha­ma: Roahy io andevovavy io sy ny zanany; fa ny zanak'io andevovavy io tsy hiray lova amin'ny zanako, dia amin'Isaka. 11 Fa ratsy teo imason'i Abrahama indrindra izany teny izany noho ny amin'ny zanany. 12 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Abra­hama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain'i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao. 13 Nefa ny zanaky ny ande­vovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy. 14 Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an'i Hagara ka napetrany teo an­tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nande­ha izy ka nirenireny tany an-efitr'i Beri­sheba. 15 Ary rehefa lany ny rano tao amin'ny siny hoditra, dia nariany teo ampototry ny hazo kely anankiray ny zaza. 16 Dia lasa izy ka nipetraka tery lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipika; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan'ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany. 17 Ary ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza, dia niantso an'i Hagara Ilay Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara ? aza matahotra, fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza eo amin'ny itoerany. 18 Mitsa­ngana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy. 19 Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza. 20 Ary nomban'Andriamanitra ny zaza. dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipika. 21 Ary nonina tany an-efitra Parana izy ­ka nakan'ny reniny vady avy tany amin'ny tany Egypta izy. 22 ARY tamin'izany andro izany Abimele­ta sy Pikola, komandin'ny miaramilany, dia niteny tamin'i Abrahama ka nanao hoe: Omban'Andriamanitra hianao amin'izay re­hetra ataonao; 23 koa ankehitriny ianiano amin'Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako hianao; fa araka ny soa izay efa nataoko taminao no mba ataovy amiko sy amin'ny tany izay ivahinianao. 24 Ary hoy Abrahama: Hiani­ana ihany aho. 25 Ary Abrahama nananatra an'i Abimele­ka noho ny lavaka fantsakana anankiray izay efa nalain'ny mpanompon'i Abimeleka an­keriny 26 Dia hoy Abimeleka: Tsy fantatro izay nanao izany; fa hianao tsy mbola nana­mbara tamiko, ary izaho koa tsy mba nahare, raha tsy vao izao. 27 Ary Abrahama naka ondry aman-osy sy omby. ka nomeny an'i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy. 28 Ary Abrahama nanokana ondrivavikely fito navahana tamin'ny ondry. 29 Ary hoy Abimeleka tamin'i Abrahama: Hatao inona ireo ondri­vavy kely fito natokanao ireo? 30 Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin'ny tànako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io. 31 Izany no nanaovana io tany io hoe Beri­sheba; satria teo no nianianan'izy roa lahy. 32 Dia nanao fanekena tany Beri-sheba izy; ary dia niainga Abimeleka sy Pikola, koma­ndin'ny miaramilany, ka niverina ho any amin'ny tanin'ny Filistina. 33 Dia namboly hazo tamariska tany Beri­sheba Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran'i Jehovah, dia Andriamanitra Mandrakizay. 34 Ary Abrahama nivahiny elaela ihany tany amin'ny tanin'ny Filistina.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_23
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_23.wav
1 ARY ny andro niainan'i Saraha dia fito amby roa-polo amby zato taona; izany no taona niainan'i Saraha. 2 Ary Saraha dia maty tao Kiriat-arba (Hebrona izany) tany amin'ny tany Kanana; dia tonga Abrahama hisaona an'i Saraha sy hitomany azy. 3 Ary Abrahama nitsangana niala avy teo anilan'ny fatin'ny vadiny, dia niteny tamin'ny taranak'i Heta ka nanao hoe: 4 Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handeve­nako ny fatin'ny vadiko tsy ho eto anatrehako. 5 Dia namaly an'i Abrahama ny taranak'i Heta ka nanao taminy hoe: 6 Mihainoa anay, tompokolahy: andrian-dehibe eto aminay hianao; koa izay tsara indrindra amin'ny fasanay no andeveno ny fatin'ny vadinao; tsy misy aminay hiaro ny fasany aminao tsy handevenanao ny fatin'ny vadinao. 7 Dia nitsangana Abrahama ka niankohoka teo anatrehan'ny taranak'i Heta tompon­tany, 8 dia niteny taminy ka nanao hoe: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin'ny vadiko mba tsy ho eto anatrehako, dia mihainoa ahy, ka mba iangavio kely amin'i Efrona, zanak'i Zohara, 9 mba homeny ahy ny zohy ao Makpela izay azy, dia ilay eo amin'ny sisin'ny sahany; amin'izay vola tokombidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana. 10 Ary Efrona nipetraka teo amin'ny taranak'i Heta; dia namaly an'i Abrahama Efrona Hetita teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin'ny tanànany, ka nanao hoe: 11 Tsia, tompokolahy, fa mihainoa ahy: ny saha dia omeko anao, ary ny zohy izay eo anatiny koa dia omeko anao; eto imason'ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin'ny vadinao. 12 Ary niankohoka teo anatrehan'ny olona tompon-tany Abrahama, 13 dia niteny tamin'i Efrona teo anatrehan'ny olona tompon-tany ka nanao hoe: Kanefa raha mba hihaino ahy ihany hianao, dia homeko ny vidin'ny saha; raiso amiko izany, dia haleviko ao ny fatin'ny vadiko. 14 Ary Efrona dia namaly an'i Abrahama ka nanao taminy hoe: 15 Tompokolahy, mihainoa ahy: tany tokony ho lafo sekely volafotsy efa-jato, inona moa izany amintsi­ka roa lahy? fa aleveno ny fatin'ny vadinao. 16 Dia neken'i Abrahama ny tenin'i Efrona, ka nolanjainy ho azy ny vola izay efa voalazany teo anatrehan'ny taranak'i Heta, dia sekely volafotsy efa-jato lanin'ny mpivarotra. 17 Ary ny sahan'i Efrona, i1ay teo Makpela, izay tandrifin'i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay teo anatiny mbamin'ny hazo rehetra izay teo anatiny, izay teo amin'ny sisiny rehetra manodidina, dia natao varo-maty 18 tamini'i Abrahama ho fananana, teo imason'ny tara­nak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo am­bavahadin'ny tanànany. 19 Ary rehefa afaka izany, Abrahama dia nandevina an'i Saraha vadiny tao amin'ny zohy tao amin'ny saha Makpela tandrifin'i Mamre (Hebrona izany), ao amin'ny tany Kanana; 20 ka ny saha mbamin'ny zohy izay ao anatiny dia nataon'ny taranak'i Heta varo­maty tamin'i Abrahama ho tany fandevena­na.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_06
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_06.wav
Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin'ny tany ka teraka zazavavy maro, dia hitan'ny zanak'Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin'ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin'izy rehetra araka izay tiany izy. Ary hoy Jehovah: Tsy mba hananaka mandrakariva ao amin'ny olona ny Fanahiko, fa amin'ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-nolo amby zato taona ny androny. Ny Nefilima nitoetra tambonin'ny tany tamin'izany andro izany, sy taorian'izany koa, raha nivady tamin'ny zanakavavin'ny olona ny zanak'Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza. Ary hitan'i lehovah fa be ny faharatsian'ny olona tambonin'ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin'ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro. Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin'ny tany, ka nalahelo ny fony. Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin'ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin'ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy. Fa Noa kosa nahita fitia teo imason'i Jehovah. Ary izao no tantaran'i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin'ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin'Andriamanitra Noa. Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy , dia Sema sy Hama ary lafeta. Ary simba ny tany teo anatrehan'Andriamanitra sady heni-doza; dia hitan'Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny l�lany avy tambonin'ny tany. Dia hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Ny faran'ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin'olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin'ny tany Aho. Koa manaova sambo-fiara ho anao amin'ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy. Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan'ny sambo-fiara, hakiho dimam-nolo ny sakany, ary hakiho telo-nolo ny hahavony. Ary hasianao fidiran'ny mazava ny sambo-fiara, ary amin'ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin'ny sambo-fiara ; hataonao efitra telo mifanongoa izy. Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin'ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin'ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin'ny tany. Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin'ny sambo-fiara hianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin'ny vinantonao vavy miaraka aminao. Ary ny zava-manan-aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin'ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo. Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina. Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angony ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an'ireo koa izany. Dia nataon'i Noa izany; araka izay rehetra nandidian'Andriamanitra azy no nataony.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_12
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_12.wav
1 ARY hoy Jehovah tamin'i Abrama: Mandehana miala amin'ny taninao sy ny havanao ary ny tranon'ny rainao hankany amin'ny tany izay hasehoko anao; 2 dia haha­tonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa hianao; 3 ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 4 Dia nandeha Abrama araka izay efa nola­zain'i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy. 5 Ary Abrama nitondra an'i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin'ny fananan'izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin'ny tany Kanana, ka tonga tany amin'ny tany Kanana izy. 6 Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan'i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kana­na fahizay. 7 Ary Jehova niseho tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no ho­meko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an'i Jehovah Izay niseho taminy. 8 Ary nifindra niala teo izy hankany amin'ny tendrombohitra atsinanan'i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan'i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an'i Jehovah izy ka niantso ny anaran'i Jehovah. 9 Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin'ny tany atsimo. 10 Ary nisy mosary teo amin'ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin'ny tany. 11 Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin'i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy hianao, 12 ka, raha hitan'ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa hianao kosa hovelominy. 13 Masina hianao, lazao fa anabaviko hianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka hianao no hamelomany ahy. 14 Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan'ny Egyptiana fa tsara tarehy indri­ndra ravehivavy. 15 Ary nahita azy ny tandapan'i Farao ka nidera azy tamin'i Farao; dia nentina tao an-tranon'i Farao izy. 16 Ary Abrama nasian'i Farao soa noho ny amin'i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy. 17 Dia nasian'i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohona­ny noho ny amm'i Saray, vadin'i Abrama. 18 Ary Farao dia nampaka an'i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadi­nao izy? 19 Nahoana hianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana. 20 Dia nomen'i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin'i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra ireo.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_34
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_34.wav
1 DIA nivoaka Dina, zanakavavin'i Lea, izay naterany tamin'i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany. 2 Ary nahi­ta azy Sekema, zanakalahin'i Hamora Hivita, andriana tamin'izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy. 3 Ary ny fony dia raiki-pitia tamin'i Dina, zanakavavin'i Jakoba; eny, tia ny zazavavy izy, ka dia nanao teny malefaka nahafinaritra azy. 4 Ary Sekema dia niteny tamin'i Hamo­ra rainy ka nanao hoe: Alao io zazavavy io ho vadiko. 5 Ary ren'i Jakoba fa efa nandoto an'i Dina zanani-vavy izy; nefa ny zanani-lahy mbola niandry ny omby aman-ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany. 6 Dia nivoaka Hamora, rain'i Sekema, nank­any amin'i Jakoba hidinika taminy. 7 Ary ny zanak'i Jakoba dia tonga avy tany an-­tsaha, rehefa nandre izy, ka nalahelo sady tezitra indrindra, satria Sekema efa nanao izay fady indrindra teo amin'ny Isiraely noho ny nandriany tamin'ny zanakavavin'i Jakoba; fa zavatra izay tsy tokony hatao izany. 8 Ary Hamora nidinika taminy ka nanao hoe: Ny fon'i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin'ny zanakareo-vavy; koa masìna hianareo, mba omeo azy ho vadiny. 9 Ary aoka hifana­mbady anaka isika: omeo anay ny zanakareo ­vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakai-vavy, 10 Dia hiara-monina aminay hianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; oneno, dia manaova varotra ao, ary aoka ho isan'ny tompon-tany hianareo. 11 Ary hoy Sekema tamin'ny rain'i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko; 12 na dia harena be sy zavatra betsa­ka aza no asainareo homeko, dia homeko iha­ny araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy ny zazavavy ho vadiko. 13 Ary ny zanak'i Jakoba namaly an'i Sekema sy Hamora rainy tamin'ny fitaka ka nisaroro azy noho ny nandotoany an'i Dina anabaviny; 14 ary hoy izy taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an'izay lehilahy tsy voafora; fa fahavetavetana aminay izany. 15 Izao ihany no azonay hanekena ana­reo: Raha ho tahaka anay hianareo, ka hofo­rana ny lehilahy rehetra aminareo, 16 dia ho­menay anareo ny zanakai-vavy, ary ny zana­kareo-vavy kosa halainay ho anay, dia hiara­-monina aminareo izahay, ka ho firenena iray isika. 17 Fa raha tsy hanaraka ny teninay hianareo ka hoforana dia halainay ny zana­kai-vavy, ka handeha izahay. 18 Dia sitrak'i Hamorasy Sekema zanany izany teniny izany. 19 Ary tsy nitaredretra ilay zatovo hanao izany zavatra izany, satria efa tia ny zanakavavin'i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin'izay rehetra tao an-tranon'ny rainy. 20 Ary Hamora sy Sekema zananilahy nank­eo amin'ny vavahadin'ny tanànany, dia niteny tamin'ny mponina tao an-tànanany ka nanao hoe: 21 Ireo olona ireo mipetraka tsara eto amintsika, dia aoka honina eto amin'ny tany izy ka hanao varotra eto; fa. indro, ny tany dia malalaka eo anoloany; ny zanani-vavy dia aoka halaintsika ho vadintsika. ary ny zanatsika-vavy dia aoka homentsika azy kosa. 22 Nefa izao monja ihany no hanaovan'ireo lehilahy ireo fanekena amintsika mba hiara-monina amintsika ho firenena iray: mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo. 23 Tsy ho antsika va ny omby aman-ondriny sy ny fananany mbamin'ny biby fiompiny rehe­tra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy. 24 Ary izay rehetra nivoaka tamin'ny vava­hadin'ny tanànany dia nanaiky ny tenin'i Hamora sy Sekema zanany; ary noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka tamin'ny vavahadin'ny tanànany. 25 Ary nony tamin'ny andro fahatelo, rehe­fa ilay narary mafy iny izy ireo, dia samy ni­tondra ny sabany ny zanak'i Jakoba roa lahy, dia Simeona sy Levy, anadahin'i Dina, ka niakatra sahisahy tao an-tanàna, dia namono ny lehilahy rehetra tao. 26 Ary Hamora sy Sekema zanani-lahy dia novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra koa; dia naka an'i Dina tao an-tranon'i Sekema izy ka lasa nandeha. 27 Ary ny zanak'i Jakoba nankeny amin'ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny. 28 Ny ondry aman-osiny sy ny ombiny sy ny borikiny mbamin'izay rehetra tao an-tanàna sy izay rehetra tany an-tsaha dia nahorony avokoa; 29 ary ny fananany re­hetra sy ny zanany madinika rehetra ary ny vadiny dia nobaboiny ka nofaohiny avokoa mbamin'izay rehetra tao an-trano. 30 Ary hoy Jakoba tamin'i Simeona sy Levy: Efa nahatonga loza amiko hianareo, fa efa nomaimboinareo eto amin'ny mponina amin'ny tany aho, dia amin'ny Kananita sy ny Perizita; nefa olom-bitsy aho, ka dia hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; dia ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako. 31 Fa hoy kosa izy: Moa ny anabavinay havela hataony toy ny vehivavy janga va?
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_09
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_09.wav
1 Ary Andriamanitra nitso-drano an'i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany. 2 Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin'ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tànanareo. 3 Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra. 4 Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny rany no aza haninareo. 5 Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin'ny tànan'ny manan-aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin'ny tànan'ny olona, dia eo amin'ny tànan'ny olona avy, no hanadinako ny ain'ny olona. 6 Izay mandatsaka ny ran'olona, dia mba halatsak'olona kosa ny rany, satria tahaka ny endrik'Andriamanitra no nanaovany ny olona. 7 Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin'ny tany sy mihabetsaha eny. 8 Ary Andriamanitra niteny tamin'i Noa sy tamin'ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe: 9 Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin'ny taranakareo mandimby anareo 10 sy amin'ny zava-manan-aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin'ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra. 11 Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin'ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony. 12 Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan-aina rehetra eo aminareo hatramin'ny taranaka fara mandimby: 13 Ny avako efa napetrako eo amin'ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin'ny tany. 14 Ary raha mampiangona rahona eo ambonin'ny tany Aho, ka hita eo amin'ny rahona ny avana, 15 dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin'ny zava-manan-aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony. 16 Ary ho eo amin'ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny zava-manan-aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin'ny tany. 17 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin'ny nofo rehetra ambonin' ny tany. 18 Ary ny zanakalahin'i Noa izay izay nivoaka avy tamin'ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain'i Kanana. 19 Ireo telo lahy ireo no zanak'i Noa; ary avy tamin'ireo no nielezan'ny olona tambonin'ny tany rehetra. 20 Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanimboaloboka. 21 Ary nisotro tamin'ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin'ny lainy. 22 Ary hitan'i Hama, rain'i Kanana ny fitanjahan'ny rainy, dia nambarany tamin'ny rahalahiny roa lahy teo ivelany. 23 Ary nalain'i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin'izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan'ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan'ny rainy. 24 Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon'ny zanany faralahy taminy. 25 Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon'ny rahalahiny izy. 26 Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony. 27 Hataon'Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain'i Sema izy; Ary aoka Kanana ho andevony. 28 Ary ny andro niainan'i Noa taorian'ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona. 29 Ary ny andro rehetra niainan'i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_43
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_43.wav
1 ARY mafy ny mosary teo amin'ny tany. 2 Ary rehefa làniny ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika. 3 Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako hianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo. 4 Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahala­hinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao; 5 fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako hianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo. 6 Ary hoy Isiraely: Nahoana no dia nampi­di-doza tamiko hianareo ka nanambara tamin-dralehilahy fa mbola nanan-drahalahy koa hianareo? 7 Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin'ny tenanay sy ny mpiana­kavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va hianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo? 8 Ary hoy Joda tamin'Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy hianao ary ny zanatsika madinika koa. 9 Izaho no hiantoka azy; amin'ny tànako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko aty aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin'ny andro rehetra hiainako aho; 10 fa raha tsy nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay. 11 Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin'ny tany ka ataovy ao anatin'ny fitondran-entanareo, dia ento midina haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala; 12 ary mi­tondra vola toraka ny teo eny an-tànanareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan'ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany. 13 Ary ny rahalahi­nareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any amin-dralehilahy; 14 ary Andri­amanitra Tsitoha anie hampahita famindra­mpo anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany. 15 Dia nentin'ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin'i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan'i Josefa. 16 Ary Josefa, raha nahita an'i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin'ny mpikara­kara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro. 17 Dia nataon-dralehilahy araka izay nandi­dian'i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo. 18 Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon'i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin'ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika. 19 Dia nanatona an-dralehilahy, mpikara­kara ny tao an-tranon'i Josefa, izy ka niteny taminy teo am-baravaran'ny trano nanao hoe: 20 Mba henoy kely izahay, tompokolahy: ni­dina hividy hanina tokoa izahay fahiny: 21 ary rehefa tonga teo amin'izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan'ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tànanay izany. 22 Ary nitondra vola hafa koa eto an-tànanay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin'ny lasaka­nay. 23 Ary hoy izy: Matokia hianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andria­manitry ny rainareo, no nanome anareo ha­rena tao anatin'ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga taty amiko ihany. Dia namoaka an'i Simeona ho eo aminy izy. 24 Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tra­non'i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny no­meny hanina koa. 25 Dia nandamina ny zava­tra hateriny izy mandra-pihavin'i Josefa rehefa mitataovovonana ny andro; fa efa reny fa eo no hihinanany hanina. 26 Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin'izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy. 27 Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy? 28 Dia hoy izy: Tsara ihany ny mpano­mponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka. 29 Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an'i Benjamina rahalahiny, zanakalahin'ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka 30 Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao. 31 Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny nahandro. 32 Dia narosony mitokana ny ho an'i Josefa, ary mitokana ny ho an'ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an'ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin'ny Hebreo, fa fahavetavetana amin'ny Egyptiana izany. 33 Dia nipetraka teo anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy. 34 Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_22
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_22.wav
1 ARY rehefa afaka izany zavatra izany, dia nizahan'Andriamanitra toetra Abrahama, ka hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! ary hoy izy; Inty aho. 2 Ary hoy Izy: Ento ny zanakao, ny lahitokanao izay tianao, dia Isaka ka mankanesa any amin'ny tany Moria; ary atero any izy ho fanatitra dorana ao amin'ny tendrombohitra anankiray izay holazaiko aminao. 3 Ary nifoha maraina koa Abrahama dia nanisy lasely ny borikiny ka nitondra zatovony roa lahy koa niaraka taminy sy Isaka zanany ary namaky ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana izy dia niainga ka nankany amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy, 4 Nony tamin'ny andro fahatelo Abrahama dia nanopy ny masony ka nahatazana ny tany tery lavitra ery. 5 Ary hoy Abrahama tamin'ny zatovony: Mijanòna eto amin'ny boriky hianareo, fa izaho sy ny zazalahy handeha hankery; ary hivavaka izahay dia hiverina eto aminareo indray. 6 Dia nalain'i Abraha­ma ny hazo hataina amin'ny fanatitra dorana ka natataony an'Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka. 7 Ary Isaka niteny tamin'i Abrahama rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! dia hoy izy: Inty aho, anaka. Ary hoy izy: Indreto ny afo sy ny kitay; fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana? 8 Fa hoy Abrahama: Anaka. Anari­amanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana; dia niara-nandeha izy mianaka. 9 Ary rehefa tonga teo amin'ny tany izay efa nolazain'Andriamanitra taminy izy, dia nanorina ny alitara teo Abrahama ka nandaha­tra ny kitay; dia namatotra an'i Isaka zanany izy ka nametraka azy tambonin'ny alitara teo ambonin'ny kitay. 10 Ary Abrahama naninjitra ny tànany ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany. 11 Fa niantso azy Ilay Anjelin'i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe: Ry Abrahama, ry Abrahama ô ary hoy kosa izy: Inty aho. 12 Dia hoy Izy: Aza ma­ninjitra ny tànanao amin'ny zazalahy, ary aza maninona azy akory hianao; fa hitako izao fa matahotra an'Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahito­kanao. 13 Ary Abrahama niherika nijery ka, indro, nisy ondrilahy teo ivohony, voasanga­zotry ny kirihitrala ny tandrony; dia lasa Abrahama ka naka ny ondrilahy ary nanatitra azy ho fanatitra dorana ho solon'ny zanany. 14 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Abrahama hoe Jehovah-jire; dia izany no anaovana mandraka ankehitriny ny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan'i Jehovah. 15 Dia niantso an'i Abrahama fanindroany tany an-danitra Ilay Anjelin'i Jehovah 16 ka nanao hoe: Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: Satria nanao izany zavatra izany hianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao, 17 dia hitahy anao tokoa Aho ary haha­maro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina; ary ny taranakao hahazo ny vavahadin'ny fahavalony; 18 ary amin'ny taranakao no hitahia­na ny firenena rehetra ambonin'ny tany, ­satria nanaiky ny teniko hianao. 19 Ary Abrahama dia niverina nankeny amin'ny zatovony; dia niainga izy ka niaraka nankany Beri-sheba; ary Abrahama dia noni­na tany Beri-sheba. 20 ARY rehefa afaka izany, dia nisy nana­mbara tamin'i Abrahama hoe: Indro, efa niteraka zazalahy koa Milka tamin'i Nahora rahalahinao, 21 dia Oza lahimatoany sy Boza lahiaivo ary Kemoela, rain'i Arama, 22 ary Kaseda sy Hazo sy Pildasy sy Jidiafa ary Betoela. 23 Ary Betoela niteraka an-dRebeka. Ireo valo ireo no naterak'i Milka tamin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama. 24 Ary ny vaditsindranony, izay atao hoe Reoma, izy koa dia niteraka an'i Teba sy Gahama sy Tahasy ary Meaka.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_03
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_03.wav
1 Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha? 2 Fa hoy ravehivavy tamin'ny menarana: Ny voan'ny hazo eo amin'ny saha dia azonay ihinanana ihany; 3 fa hy voan'ny hazo eo afovoan'ny saha kosa no efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty hianareo. 4 Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory hianareo; 5 fa fantatr'Andriamanitra fa na amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra hianareo, hahalala ny ny tsara sy ny ratsy. 6 Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy. 7 Dia nahiratra ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy. 8 Ary nandre an'i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin'ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan'i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin'ny saha. 9 Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa hianao? 10 Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin'ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery. 11 Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka hianao? Efa nihinananao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao? 12 Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho. 13 Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho. 14 Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin'ny menarana: Satria nanao izany hianao, koa amin'ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia hianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao. 15 Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony. 16 Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan-anaka hianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran'ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao. 17 Ary hoy koa Izy tamin'i Adama: Satria efa nihaino ny feon'ny vadinao hianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin'ny andro rehetra hiainanao. 18 Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly. 19 Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandrapiverinao any amin'ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka hianao, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray hianao. 20 Ary ralehilahy nanao ny anaran'ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin'ny olombelona rehetra. 21 Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an'i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy. 22 Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy; 23 ka dia nesorin'i Jehovah Andriamanitra tamin'ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy. 24 Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny làlana mankany amin'ny hazon'aina.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_28
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_28.wav
1 Ary Isaka nampaka an'i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita hianao. 2 Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any amin'ny tranon'i Betoela rain-dreninao; dia maka vady any, avy amin'ny zanakavavin'i Labana anadahindreninao. 3 Ary Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampi­tombo anao, mba ho tonga firenena maro hianao; 4 ary homeny anao anie ny fitahiana an'i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen'Andriamanitra an'i Abrahama. 5 Ary Isaka nampandeha an'i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin'i Labana, zanak'i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin'i Jakoba sy Esao. 6 Ary nony hitan'i Esao fa Isaka efa nitso­drano an'i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita hianao; 7 koa Jakoba efa nanaraka ny tenin'ny rainy aman-dreniny ka lasa nank­any Mesopotamia; 8 ary hitan'i Esao fa efa ratsy teo imason'Isaka rainy ny zanaka­vavin'ny Kananita: 9 dia lasa Esao nankany amin'Isimaela ka naka an'i Mahalota, zana­kavavin'Isimaela, zanak'i Abrahama, sady anabavin'i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin'ny vady izay nananany. 10 DIA nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana. 11 Ary tonga teo amin'ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato tamin'izany fitoerana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy. 12 Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy. 13 Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andria­manitr'i Abrahama rainao sy Andriamanitr'Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao; 14 ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin'ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo hianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 15 Ary, indro, Izaho mo­mba anao ka hiaro anao amin'izay làlan-kale­hanao rehetra ary hampody anao indray ho amin'ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandrapanaoko izay voalazako taminao. 16 Ary Jakoba nahatsiaro tamin'ny tori­masony, dia nanao hoe: Ato amin'ity fitoera­na ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala. 17 Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe: Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra. 18 Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy. 19 Ary ny anaran'izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran'ilay tanàna tany aloha. 20 Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin'izao làlana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako, 21 ka ho tafa­verina soa aman-tsara any amin'ny tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro, 22 ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_19
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_19.wav
1 DIA nankany Sodoma ilay anjely roa nony hariva, raha Lota nipetraka teo am-bavahadin'i Sodoma; ary raha nahita azy Lota, dia nitsangana mba hitsena azy izy ka niankohoka tamin'ny tany. 2 Dia hoy izy: Mba mivilia hianareo, tompoko, ho ato an­-tranon'ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa hianareo, dia handeha amin'izay làlan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina. 3 Ary rehefa noteren'i Lota fatratra izy roa lahy, dia nivily tany aminy izy ka niditra tao an-tranony; dia nanaovany nahandro izy sy nanendasany mofo tsy misy masirasira, dia nihinana izy. 4 Ary raha tsy mbola nandry izy, dia avy manodidina ny trano ny mponina tao an-­tanàna Sodoma, hatramin'ny tanora ka ha­tramin'ny antitra, dia ny vahoaka rehetra tao an-tanàna; 5 dia niantso an'i Lota izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza ireo lehilahy vao tonga tato aminao izao alina izao? avoahy ho aty aminay izy hahalalanay azy. 6 Dia nivoa­ka teo am-baravarana Lota hankeo aminy, ka nakatony ny varavarana teo ivohony; 7 ary hoy izy: Masina hianareo, ry rahalahiko, aza manao ratsy. 8 Indro, manan-janaka roa vavy aho, izay tsy mbola nahalala lahy; ma­sina hianareo, aoka re ireo no havoaka0ko ho eto aminareo, ka hataonareo aminy izay sitraponareo; fa ireo lehilahy ireo kosa dia aza anaovanareo na inona na inona; fa tonga hialoka eto ambanin'ny tafon-tranoko izy. 9 Ary hoy izy ireo: Mialà eto hianao. Dia hoy izy ireo indray: Ilehity tonga ety hivahiny, kanefa matetika mila hiseho ho mpitsara; ankehitriny dia hanao ratsiratsy kokoa aminao noho ny amin'ireo lehilahy ireo izahay. Dia nanosika mafy an-dralehilahy izy ireo, dia an'i Lota, ka nisesika hamaky ny varavarana. 10 Fa naninjitra ny tànany izy roa lahy, dia nanintona an'i Lota hankao an-trano ho ao aminy, ka nakatony ny varavarana. 11 Dia nampanjambena ny mason'ny lehilahy izay teo am-baravaran'ny trano izy hatramin'ny kely ka hatramin'ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo. 12 Ary hoy izy roa lahy tamin'i Lota: Mbola manana ato koa va hianao? dia izay vinantonao-lahy sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, ary na zovy na zovy anananao ato an-tanàna, ento miala amin'ity tanàna ity; 13 fa horavanay ity tanàna ity, satria efa lehibe ny fitarainany eo anatrehan'i Jehovah; ka dia naniraka anay Jehovah handrava azy. 14 Dia nivoaka Lota ary niteny tamin'ny vina­ntony, izay efa hanambady ny zanani-vavy, ka nanao hoe: Miaingà, miala amin'ity tanàna ity; fa horavan'i Jehovah ity tanàna ity. Fa nataon'ny vinantony ho tahaka ny mpanao vazivazy izy. 15 Ary nony maraina koa ny andro, dia na­ndodona an'i Lota ireo anjely ka nanao hoe: Miaingà, ento ny vadinao sy ny zanakao roa vavy izay eto, fandrao mba haringana hianao noho ny heloky ny tanàna. 16 Ary nony nitare­dretra izy, dia notantanan'izy roa lahy izy sy ny vadiny ary ny zanany roa vavy noho ny famindrampon'i Jehovah taminy; dia nitondra azy nivoaka izy roa lahy ka nandao azy tany ivelan'ny tanàna. 17 Ary rehefa nitondra azy nivoaka tany ivelany izy, dia hoy ny anankiray: Mandosira hamonjy ny ainao; aza miherika hianao, na mijanona eny amin'ny tany lemaka rehetra; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao haringana hianao. 18 Ary hoy Lota taminy: Aza an'izany, Tompo ô! 19 indro, fa efa nahita fitia teo imasonao ny mpanomponao, ary efa nahalehi­be ny famindramponao hianao, izay nataonao tamiko hamonjenao ny aiko; ary tsy afa­-mandositra any an-tendrombohitra aho, fandrao hahatratra ahy ny loza, ka ho faty aho; 20 indro, io vohitra io dia akaiky handosirana sady kely; masìna hianao, aoka handositra ao aho (tsy kely va izy io?), dia ho velona ny aiko. 21 Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa hianao tamin'izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io. 22 Ma­ndehana faingana, mandosira ho ao; fa tsy mahazo manao na inona na inona aho mandra­pahatonganao ao. Izany no nanaovana ny anaran'ny tanàna hoe Zoara. 23 Ary ny masoandro efa niposaka tamin'ny tany, raha tonga tao Zoara Lota. 24 Ary Jehovah nandatsaka tamin'i Sodo­ma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin'i Jehovah tany an-danitra, 25 ka nandrava ireny tanàna ireny sy ny tany lemaka rehetra sy ny mponina rehetra tao an-tanàna ary ny zava-­maniry teo amin'ny tany. 26 Fa ny vadin'i Lota niherika teo ivohony, dia tonga vongan-tsira mitsangana izy. 27 Dia nifoha maraina koa Abrahama ka nankany amin'ilay efa nijanonany teo ana­trehan'i Jehovah; 28 ary nitsinjo an'i Sodo­ma sy Gomora sy ny tany lemaka rehetra izy, dia nahita, ka, indro, niakatra ny setroky ny tany tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe. 29 Ary raha noravan'Andriamanitra ny tanàna tany amin'ny tany lemaka, dia naha­tsiaro an'i Abrahama Andriamanitra ka namoaka an'i Lota hiala teo afovoan'ny horavana, tamin'ny nandravany ny tanàna izay nonenan'i Lota. 30 DIA niakatra Lota avy tao Zoara ka ni­toetra tany an-tendrombohitra, dia izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra hitoetra tao Zoara izy; dia nitoetra tao an-johy izy sy ny zanany roa vavy. 31 Ary hoy ny vavimatoa tamin'ny zandri­ny: Efa antitra izao raintsika, ary tsy misy lehilahy ambonin'ny tany hanambady antsika araka ny fanaon'ny tany rehetra; 32 andeha hampisotrointsika divay ny raintsika dia handry aminy isika hananantsika fara avy amin'ny raintsika. 33 Dia nampisotroiny di­vay ny rainy tamin'iny alina iny dia niditra ny vavimatoa ka nandry tamin-drainy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany na izay nifohazany. 34 Ary nony ampitson'iny dia hoy ny vavimatoa tamin'ny zandriny: Indro, efa nandry tamin'ny raintsika aho halina; aoka hampisotrointsika divay indray izy anio alina, dia midira hianao ka mandria aminy hananantsika fara avy amin'ny raintsika. 35 Dia nampisotroiny divay indray ny rainy tamin'iny alina iny; dia nitsangana ilay za­ndriny ka nandry taminy; ary izy tsy nahafantatra izay nandriany, na izay nifohazany. 36 Dia samy nanan-anaka tamin-drainu ny zanak'i Lota roa vavy. 37 Dia niteraka zazalahy ny vavimatoa, ka ny anarany nataony hoe Moaba; izy no rain'ny Moabita mandraka andro-any. 38 Ary ny zandriny koa dia niteraka zazalahy ary ny anarany nataony hoe Benamy; izy kosa no rain'ny taranak'i Amona mandraka andro-any.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_10
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_10.wav
1 Ary izao no taranaky ny zanakalahin'i Noa, dia Sema sy Hama ary Jafeta: Samy niteraka zazalahy avy izy taorian'ny safo-drano. 2 Ny zanakalahin'i Jafeta dia Gomera sy Magoga sy Maday sy Javana sy Tobala sy Maseka ary Tirasa. 3 Ary ny zanakalahin'i Gomera dia Askenaza sy Rifata ary Togarma. 4 Ary ny zanakalahin'i Javana dia Elisaha sy Tarsisy sy ny Kitima sy ny Dodanita. 5 Avy tamin'ireo no niavakavahan'ny nosin'ny firenena tany amin'ny taniny, dia samy araka ny fiteniny avy, araka ny mpianakaviny avy, tamin'ny fireneny avy. 6 Ary ny zanakalahin'i Hama dia Kosy sy Mizraima sy Pota ary Kanana. 7 Ary ny zanakalahin'i Kosy dia Seba sy Havila sy Sabta sy Ragama ary Sabteka; ary ny zanakalahin'i Ragama dia Seba sy Dedana. 8 Ary Kosy niteraka an'i Nimroda; izy no voalohany izay tonga olona mahery tambonin'ny tany. 9 Izy dia mpihaza mahery teo anatrehan'i Jehovah, ka izany no nanaovan'ny olona hoe: Tahaka an'i Nimroda, mpihaza mahery eo anatrehan'i Jehovah. 10 Ary ny niandohan'ny fanjakany dia Babela sy Ereka sy Akada ary Kalne tany amin'ny tany Sinara. 11 Ary nivoaka avy tamin'izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an'i Ninive mbamin'i Rehobot-ira sy Kala 12 ary Resena teo anelanelan'i Ninive sy Kala, dia ilay tanàna lehibe izany. 13 Ary Mizraima niteraka ny Lodita sy ny Anamita sy ny Lehabita sy ny Naftohita 14 sy ny Patrosita sy ny Kaslohita izay nihavian'ny Filistina ary ny Kaftorita. 15 Ary Kanana niteraka an'i Sidona lahimatoany sy Heta, 16 ary ny Jebosita , sy ny Amorita sy ny Girgasita 17 sy ny Hivita sy ny Arkita sy ny Sinita 18 sy ny Arvadita sy ny Zemarita ary ny Hamatita; ary nony taoriana dia niely ny firenen'ny Kananita. 19 Ary ny fari-tanin'ny Kananita dia hatrany Sidona ka hatrany Gaza ao aKaikin'i Gerara, ka hatrany Lesa ao akaikin'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima. 20 Ireo no zanak'i Hama, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, amin'ny fireneny. 21 Dia niteraka koa Sema, rain'ny zanak'i Ebera rehetra rahalahin'i Jafeta, izay zokiny. 22 Ny zanakalahin'i Sema dia Elama sy Asyra sy Arpaksada sy Loda ary Arama. 23 Ary ny zanakalahin'i Arama dia Oza sy Hola sy Gatera ary Masy. 24 Ary Arpaksada niteraka an'i Sela; ary Sela niteraka an'i Ebera. 25 Ary Ebera niteraka roa lahy: ny anaran'ny iray natao hoe Palega, satria tamin'ny androny no nizarana ny tany; ary Joktana no anaran'ny rahalahiny. 26 Ary Joktana niteraka an'i Almodada sy Salefa sy Hazarmaveta sy Jera 27 sy Hadorama sy Ozala sy Dikla 28 sy Obala sy Abimaela sy Sheba 29 sy 0fira sy Havila ary Jobaba; ireo rehetra ireo no zanakalahin'i Joktana. 30 Ary ny fonenan'ireo dia hatrany Mesa ao akaikin'i Sefara, tendrombohitra atsinanana. 31 Ireo no zanak'i Sema, araka ny mpianakaviny, araka ny fiteniny, amin'ny taniny, araka ny fireneny. 32 Ireo no mpianakavin'ny zanak'i Noa, araka ny taranany, amin'ny fireneny; ary avy tamin'ireo no niavakavahan'ny firenena tambonin'ny tany taorian'ny safo-drano.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_20
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_20.wav
1 DIA nifindra niala teo Abrahama nankany amin'ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan'i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy. 2 Ary hoy ny filazan'i Abrahama an'i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan'i Gerara, nampaka an'i Saraha. 3 Fa Andriamanitra nankeo amin'i Abime­leka, tamin'ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty hianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin'olona izy. 4 Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina? 5 Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary rave­hivavy koa nanao hoe: Anadahiko izy; koa tamin'ny fahatsoran'ny foko sy ny fahadiovan'ny tànako no nanaovako izany. 6 Ary hoy Andriamanitra taminy tamin'ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin'ny fahatsoran'ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy. 7 Ary ankehitriny avereno ny va­din-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona hianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa hianao, dia hianao mbamin'izay rehetra mety ho anao. 8 Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nana­mbara izany rehetra izany teo anatrehany; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona. 9 Ary Abimeleka dia nampaka an'i Abraha­ma ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin'ny fanjakako hianao? zava­tra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko. 10 Ary hoy koa Abimeleka tamin'i Abraha­ma: Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany hianao? 11 Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra tokoa amin'ity tany ity, ka hovonoin'ny olona aho noho ny amin'ny vadiko. 12 Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin'ny raiko, fa tsy mba zanakavavin'ny reniko; ka dia nanambady azy aho. 13 Ary raha na­mpifindrafindra ahy hiala tamin'ny tranon'ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin'ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin'izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy. 14 Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an'i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy. 15 Ary hoy Abimeleka: In­dro, eo anoloanao ny taniko; mitoera eo amin'izay tianao. 16 Ary hoy kosa izy tamin'i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena­maso aminao izany, dia amin'izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny hianao ny amin'izany rehetra izany. 17 Ary Abrahama dia nifona tamin'Andria­manitra; ary Andriamanitra nahasitrana an'i Abimeleka sy ny vadiny mbamin'ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo. 18 Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin'ny ankohonan'i Abimeleka noho ny amin'i Saraha, vadin'i Abrahama.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_04
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_04.wav
1 Ary Adama nahalala an'i Eva vadiny; dia nanan-anaka Eva ka niteraka an'i Kaina, ary hoy izy: Efa nahazo zazalahy tamin'i Jehovah aho. 2 Ary niteraka an'i Abela rahalahiny koa izy. Ary Abela dia mpiandry ondry, fa Kaina kosa mpiasa tany. 3 Ary rehefa afaka elaela, dia nitondran'i Kaina ny vokatry ny tany ho fanatitra ho an'i Jehovah; 4 fa nitondran'i Abela kosa ny voalohan-terak'ondriny, dia izay matavy. Ary Jehovah nankasitraka an' i Abela mbamin'ny fanatiny; 5 fa Kaina mbamin'ny fanatiny kosa tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny. 6 Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Nahoana no tezitra hianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao? 7 Raha tsara toetra hianao, moa tsy ho miramirana va? Fa raha tsy tsara toetra kosa hianao, dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary hianao no kendren'ny faniriany, kanefa hianao no tokony hanapaka azy. 8 Ary Kaina niteny tamin'i Abela rahalahiny; ary nony tany an-tsaha izy mirahalahy, dia nitsangana Kaina nanatona an' i Abela rahalahiny, ka namono azy. 9 Ary hoy Jehovah tamin'i Kaina: Aiza Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Asa; moa mpitandrina ny rahalahiko va aho? 10 Ary hoy Izy: Inona no nataonao? Ny feon'ny ran'ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin'ny tany. 11 Ary ankehitriny dia voaozona hianao hiala amin'ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran'ny rahalahinao nalatsaky ny tànanao. 12 Raha miasa ny tany hianao, tsy mba hahavokatra ho anao intsony izy; ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany hianao. 13 Dia hoy Kaina tamin'i Jehovah: Lehibe ny valin'ny heloko mihoatra noho izay zakako. 14 Indro, efa noroahinao hiala amin'ny tany onenana aho androany; dia hiery ny tavanao aho ary ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin'ny tany; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy. 15 Ary hoy Jehovah taminy: Noho izany na iza na iza hamono an'i Kaina, dia hovaliana fito eny izy. Ary Jehovah nanao famantarana ho an'i Kaina; mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy. 16 Ary Kaina dia niala teo anatrehan'i Jehovah ka nonina tao amin'ny tany Noda tandrifin'i Edena. 17 Ary Kaina nahalala ny vadiny, dia nanan-anaka ravehivavy ka niteraka an'i Enoka; ary nanorina vohitra Kaina, ka ny anaran'ny vohitra dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran'ny zanani-lahy. 18 Ary Enoka niteraka an'Irada; ary Irada niteraka an'i Mehojaela; ary Mehojaela niteraka an'i Metosaela; ary Metosaela niteraka an'i Lameka. 19 Ary Lameka nampirafy roa: ny anaran'ny anankiray Ada, ary ny anaran'ny anankiray Zila. 20 Ary Ada niteraka an'i Jabala; izy no rain'ny mpitoetra an-day, mpiandry omby aman'ondry. 21 Ary ny anaran'ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain'ny mpitendry lokanga sy mpitsoka sodina rehetra. 22 Ary Zila kosa niteraka an'i Tobala-kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy; ary ny anabavin'i Tobala-kaina dia Nama. 23 Ary hoy Lameka tamin'ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, mihainoa ny feoko; Ry vadin'i Lameka, mitandrema ny teniko: Efa namono lehilahy aho noho ny feriko, Ary tovolahy noho ny faharatrako. 24 Raha valiana fito heny izay mamono an'i Kaina, Dia fito amby fito-polo heny kosa izay mamono an'i Lameka. 25 Ary Adama nahalala ny vadiny indray, ka dia niteraka zazalahy ravehivavy; ary ny anarany nataony hoe Seta; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nanome ahy zanaka anankiray koa ho solon'i Abela, satria novonoin'i Kaina izy. 26 Ary Seta koa niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Enosy.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_33
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_33.wav
1 Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mito­ndra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin'i Lea sy Rahely ary ho amin'ny ankizivavy roa. 2 Ary nataony loha-làlana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-làlana. 3 Ary Jakoba nandeha teo alohan'izy rehetra ka niankohoka impito tamin'ny tany mandrapahatongany teo akaikin'ny rahalahiny. 4 Dia nihazakazaka hitsena azy Esao, ary nisa­kambina ny tendany, dia namihina sy nanoroka azy; ary samy nitomany izy mirahalahy. 5 Ary Esao nanopy ny masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen'Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany. 6 Dia nanatona ny ankizivavy sy ny zanany ka niankohoka. 7 Dia nanatona koa Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, dia nana­tona koa Josefa sy Rahely ka niankohoka. 8 Ary hoy Esao: lnona moa no hevitr'ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason'itompokolahy. 9 Ary dia hoy Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao. 10 Ary hoy Jakoba: Trarantitra hia­nao, aza an'izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin'ny tànako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan'Andriamanitra, ary efa sitrakao aho. 11 Trarantitra hianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra. 12 Ary hoy Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho. 13 Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr'itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman­-osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman-osy rehetra. 14 Trarantitra hianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpa­nompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian'ny omby aman-ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian'ny zaza, mandra-pahatongako any amin'itompokolahy any Seira. 15 Ary hoy Esao: Masìna hianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason'itompokolahy aho. 16 Dia niverina androtrizay Esao tamin'ny làlany ho any Seira. 17 Ary Jakoba nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsan­kazo maromaro ho an'ny omby aman-ondriny; izany no nanaovana ny anaran'io tany io hoe Sokota. 18 Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin'ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin'ny tanàna. 19 Dia novi­diny vola zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy. 20 Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_17
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_17.wav
1 ARY rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan'i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny hianao. 2 Fa Izaho hanao ny fanekeko ho amiko sy ho aminao ary haha­maro anao indrindra. 3 Dia niankohoka Abrama; ary Andriama­nitra niteny taminy ka nanao hoe: 4 Raha ny amiko, dia, indro, aminao ny fanekeko, ka ho tonga rain'ny firenena maro hianao. 5 Ary ny anaranao tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria efa nataoko ho rain'ny firenena maro hianao. 6 Dia hahamaro ny taranakao indrindra Aho, ka hataoko ho firenena maro hianao; ary hisy mpanjaka hiseho avy aminao. 7 Ary haoriko ny faneke­ko ho amiko sy ho aminao mbamin'ny tarana­kao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho. 8 Ary homeko anao sy ny taranakao any aorianao ny tany fivahinianao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay; ary ho Andriamaniny Aho. 9 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abraha­ma: Fa ny aminao kosa, dia hitandrina ny fanekeko hianao, dia hianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin'ny taranaka fara mandimby. 10 Ary izao no fanekeko ho ami­ko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, dia izay hotandremanareo: hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo. 11 Dia hofora­na hianareo; ary ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho aminareo izany. 12 Ny zaza­lahy teraka havaloana eo aminareo no hofo­rana, dia ny lehilahy rehetra amin'ny tarana­kareo hatramin'ny fara mandimby: na ny ompikely. na izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena ka tsy avy amin'ny taranakao. 13 Tsy maintsy hoforana ny ompikelinao sy izay novidinao vola; ary ny fanekeko dia ho ao amin'ny nofonareo ho fanekena mandrakizay. 14 Ary ny lehilahy tsy voafora, izay tsy mbola noforana, dia hofongorana tsy ho amin'ny fireneny; efa nivadika ny fanekeko izy. 15 Dia hoy Andriamanitra tamin'i Abraha­ma: Ny amin'i Saray vadinao, dia tsy mba hataonao Saray intsony ny anarany, fa Saraha no ho anarany. 16 Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan'ny firenena maro avy aminy. 17 Dia niankohoka Abrahama ary nitsiky, dia nanao anakampo hoe: Hiteraka va aho, izay efa zato taona? ary hiteraka va Saraha, izay efa sivi-folo taona? 18 Ary hoy Abraha­ma tamin'Andriamanitra: Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao! 19 Ary hoy Andriamanitra: Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy ho fanekena mandrakizay ho an'ny taranany mandimby azy. 20 Ary ny amin'Isimaela, dia efa nihaino anao Aho; indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa ambin'ny folo izy, satria efa notendreko ho firenena lehibe. 21 Nefa ny fanekeko haoriko amin'Isaka. izay haterak'i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao. 22 Ary rehefa vita ny teny nataony taminy, dia niakatra Andriamanitra niala teo amin'i Abrahama. 23 Koa dia nalain'i Abrahama Isimaela zanany sy ny ompikeliny rehetra mbamin'izay rehetra novidiny vola dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony; dia noforany androtrizay indrindra ireo araka izay nolazain'Andriamanitra taminy. 24 Ary efa sivy amby sivi-folo taona Abrahama, raha noforana izy. 25 Ary efa telo ambin'ny folo taona Isimaela zanany, raha noforana izy. 26 Androtrizay indrindra no namorana an'i Abrahama sy Isimaela zanany; 27 ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny ompikely mbamin'izay novidim-bola tamin'ny hafa firenena, dia samy niara-noforana taminy avokoa.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_32
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_32.wav
1 Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zanani-lahy sy ny zanani­vavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin'ny fonenany. 2 Ary Jakoba nizotra tamin'ny làlan-kalehany, dia nisy anjelin'Andriamanitra nitsena azy. 3 Ary hoy Jakoba, raha nahita ireo: Tobin'Andriamanitra ity; ary ny anaran'izany tany izany nataony hoe Mahanaima. 4 ARY nandefa iraka Jakoba hialoha azy ho any amin'i Esao rahalahiny, ho any Seira, tanin'i Edoma. 5 Ary nanome teny azy izy ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Esao tompoko: Izao no tenin'i Jakoba mpanomponao: Efa nivahiny tany amin'i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny; 6 ary manana omby sy boriky sy ondry aman­-osy ary andevolahy aho; dia efa mba naniraka hanambara aminao tompokolahy ihany aho mba hahitako fitia eo imasonao. 7 Dia niverina tany am.in'i Jakoba ny iraka ka nanao hoe: Tafahaona tamin'i Esao raha­lahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efa-jato lahY. 8 Dia natahotra indrindra Jakoba ka poritra dia poritra; dia nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin'ny ondry aman-osy sy ny omby ary ny rameva; 9 fa hoy izy: Raha tafahaona amin'ny antokony anankiray Esao ka mamely azy, dia handositra kosa ny antokony anankiray. 10 Ary hoy Jakoba: E Andriamanitr'i Abra­hama raiko, sady Andriamanitr'Isaka raiko, dia Jehovah Izay efa nanao tamiko hoe: Modia any amin'ny taninao sy any amin'ny havanao dia hanao soa aminao Aho; 11 tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza aho tamin'ny famindrampo rehetra 8y ny fahamarinana rehetra, izay nataonao tamiko mpanomponao; fa tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity; nefa ankehitriny efa tonga toby roa aho. 12 0 vonjeo aho amin'ny tànan'ny rahalahiko, dia amin'ny tànan'i Esao; fa matahotra azy aho, fandrao avy mamely ahy mbamin'ny vadiko aman-janako izy. 13 Fa Hianao efa nanao hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho, ka hataoko maro ny taranakao ho tahaka ny fasika any an-dranomasina, izay tsy azo isaina noho ny hamaroany. 14 Dia nitoetra teo izy tamin'iny alina iny; ary naka tamin'izay teo an-tànany izy mba hampanaterina ho an'i Esao rahalahiny, 15 dia osivavy roan-jato sy osilahy roa-polo, ondrivavy roan-jato sy ondrilahy roa-polo 16 ary rameva telo-polo ampianahany, vantotr'ombivavy efa-polo sy vantotr'ombilahy folo, borikivavy roa-polo ary zana-boriky folo. 17 Dia natolony teo an-tànan'ny mpanompony ireny, mitokantokana isan-toko; ary hoy izy tamin'ny mpanompony: Mandehana eo alohako, ary asio elanelany eo amin'ny isan-toko. 18 Dia nanome teny ny voalohany izy ka nanao hoe: Raha mifanena aminao Esao rahalahiko ka manontany anao hoe: An'iza hianao? ary hankaiza moa? ary an'iza ireo alohanao? 19 dia lazaonao hoe: An'i Jakoba mpano­mponao ireo, dia zavatra nampanaterina ho an'itompokolahy Esao; ary indro koa izy ao aorianay ao. 20 Ary nanome teny ny faharoa sy ny fahatelo koa izy, ary izay rehetra na­ndeha nanaraka ny isan-toko, ka nanao hoe: Araka izany teny izany no lazaonareo amin'i Esao, raha hitanareo izy. 21 Ary lazao hoe koa: Indro, Jakoba mpanomponao ao aorianay ao. Fa hoy izy: Hampionona ny hatezerany aho amin'ireo zavatra nampialohaiko ireo, ary rehefa afaka izany, dia vao hahita ny tavany aho; angamba hahazo fitia aminy aho. 22 Ary dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampa­nateriny ireny; fa izy mbola nitoetra teo amin'ny toby ihany tamin'iny alina iny. 23 Dia nitsangana tamin 'iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa vavy sy ny ankizivaviny roa ary ny zanani-lahy iraika ambin'ny folo, dia nita tamin'ny fitana tao Jaboka izy. 24 Ary naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin'ny renirano, ary nampita ny fana­nany koa izy. 25 Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin'ny andro. 26 Ary rehefa hitany fa tsy naharesy azy izy, dia notendreny ny foto-peny; ka dia nivika ny foto-pen'i Jakoba, raha mbola nitolona taminy Izy. 27 Ary hoy Izy: Avelao Aho handeha, fa efa mazavaratsy ny andro. Fa hoy kosa Jakoba: Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho. 28 Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anara­nao? dia hoy izy: Jakoba. 29 Ary hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anara­nao, fa Isiraely; satria efa nitolona tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona hianao ka nahery. 30 Dia nanontany Jakoba ka nanao hoe: Masìna Hianao, lazao kely izay anaranao. Ary hoy Izy: Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy. 31 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataon'i Jakoba hoe Peniela; fa, hoy izy, efa nahita an'Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko. 32 Dia niposaka taminy ny masoandro, raha niala teo Peniela izy, ary nitolitsika izy noho ny feny. 33 Izany no tsy ihinanan'ny Zanak'Isiraely ny ozatry ny atodiakanga mandraka androany; satria nanendry ny foto-pen'i Jako­ba teo amin'ny ozatry ny atodiakanga Izy.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_48
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_48.wav
1 ARY rehefa afaka izany, dia nisy nilaza tamin'i Josefa, hoe: Indro marary ny rainao. Dia nentiny niaraka taminy Manase sy Efraima, zanany mirahalahy. 2 Ary nisy nilaza tamin'i Jakoba ka nanao hoe: Indro, Josefa zanakao tamy ho ety aminao; dia nanatanja-tena Isiraely ka niarina teo ambonin'ny farafara. 3 Ary hoy Jakoba tamin i Josefa: Andria­manitra Tsitoha efa niseho tamiko tany Lozy any amin ny tany Kanana ary nitahy ahy ka nanao tamiko hoe: 4 Indro, Izaho hahamaro ny taranakao, dia hampitombo anao sy hanao anao ho firenena maro; dia homeko ny tara­nakao mandimby anao ity tany ity ho lovany mandrakizay. 5 Ary ankehitriny, ny zanakao mirahalahy, izay efa naterakao taty amin'ny tany Egypta, fony tsy mbola tonga taty aminao eto Egypta aho, dia ho ahy ireo: eny, Efraima sy Mariase dia ho ahy, tahaka an'i Robena sy Simeona. 6 Fa ny zanakao izay haterakao aorian'izy mirahalahy dia ho anao kosa, ary ny anarany hatao araka ny an'ny rahalahiny eo amin'ny zara-taniny. 7 Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin'ny tany Kanana, tany an-dàlana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron'ny làlana mankany Efrata (Betlehema izany). 8 Ary rehefa hitan'Isiraely ny zanak'i Josefa, dia hoy izy: Iza moa ireo? 9 Ary hoy Josefa tamin-drainy: Zanako ireto, izay nomen'Andriamanitra ahy taty. Ary hoy izy: Masina hianao, ento eto amiko izy, dia hotsofiko rano. 10 Ary efa pahina ny mason'Isi­raely noho ny fahanterany, ka tsy nahita izy; dia nentin'i Josefa nanatona azy izy mirahalahy; ary Isiraely nanoroka sy namihina azy. 11 Dia hoy Isiraely tamin'i Josefa; Tsy na­nampo izay hahita ny tavanao intsony aho; kanjo, indro, Andriamanitra efa nampahita ahy ny zanakao koa aza. 12 Ary Josefa na­mpiala azy mirahalahy teo anelanelan'ny lohalik'Isiraely, dia niankohoka tamin'ny tany izy. 13 Dia notantan'i Josefa izy mirahalahy: Efraima tamin'ny ankavanany ho eo amin'ny ankavian'Isiraely, ary Manase tamin'ny ankaviany ho eo amin'ny ankavanan'Isiraely, ka nentiny nanatona azy. 14 Dia nahinjitr'Isiraely ny tanàny ankavanana ka napetrany ramin'ny lohan'i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin'ny lohan'i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa. 15 Dia nitso-drano an'i Josefa izy ka nanao hoe: Andriamanitra, Izay nandehanan'i Abrahama sy Isaka razako teo anatrehany, Andriamanitra, Izay Mpiandry ahy hatrizay niainako ka mandraka andro-any, 16 ny Anjely Izay Mpamonjy ahy tamin'ny loza rehetra: Izy anie hitahy ireto zaza ireto; ary aoka ny anarako sy ny anaran'i Abrahama sy Isaka raiko no hanononana azy, ary hitombo ho maro dia maro eo amin'ny tany anie izy. 17 Ary rehefa hitan'i Josefa fa ny rainy nametraka ny tànany ankavanana teo amin'ny lohan'i Efraima, dia tsy sitrany izany; ka noraisiny ny tànan'ny rainy, mba hampiala azy amin'ny lohan'i Efraima ho amin'ny lohan'i Manase, 18 ka hoy Josefa ramin'ny rainy: Tsy izao no izy, ry ikaky; fa ity no lahimatoa, ka apetraho eo amin'ny lohany ny tànanao ankavanana. 19 Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro. 20 Dia nitso-drano azy tamin'izany andro izany izy ka nanao hoe: Hianao no hitsofan'ny Isiraely rano hoe: Hataon'Andriamanitra tahaka an'i Efraima sy tahaka an'i Manase anie hianao. Ary Efraima no nataony alohan'i Manase. 21 Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Indro, ho faty aho, nefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo indray ho any amin'ny tanindrazanareo. 22 Ary izaho manome anao zaratany iray ho tombon-dahinao amin'ny rahalahinao, izay nalaiko tamin'ny sabatro sy ny tsipikako teo an-tànan'ny Amorita.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_45
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_45.wav
1 Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangora­koraky ny fony intsony teo anatrehan'izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin'i Josefa, raha nanao izay hahafantaran'ny rahalahiny azy izy. 2 Dia nitomany mafy izy, ka ren'ny Egyptiana, ary ren'ny tao an-tranon'i Farao koa. 3 Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy naha­valy azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo. 4 Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Avia, manatona ahy hianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho aty Egypta. 5 Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho aty; fa hamonjy aina no nampandeha­nan'Andriamanitra ahy hialoha anareo aty. 6 Fa roa taona izao no efa nisian'ny mosary teto amin'ny tany; ary mbola misy dimy tao­na koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana. 7 Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny tany, fa hamelona anareo amin'ny famonjena lehibe. 8 Ary amin'iza­ny, tsy hianareo no nampandeha ahy ho aty, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain'i Farao, sy ho tompon'ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra. 9 Andeha miakatra faingana hianareo ho any amin'ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin'i Josefa zanakao: Efa nataon'Andriamanitra ho tompon'i Egypta rehetra aho; ka midina hankaty amiko, fa aza mijanona; 10 dia honina eo amin ny tany Gosena hianao, ka ho eo akaikiko hianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman-osinao sy ny ombinao mbamin'izay rehetra anananao. 11 Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany hare­na hianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao. 12 Ary, indro, hitan'ny masona­reo sy ny mason'i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo. 13 Dia hambaranareo amin'ikaky ny voninahitro rehetra aty Egypta sy izay rehetra efa hitana­reo; koa mandehana faingana hianareo, ka ento midina aty ikaky. 14 Dia namihina ny vozon'i Benjamina ra­halahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin'ny vozony. 15 Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny. 16 Ary re tao an-tranon'i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin'i Josefa; dia sitrak'i Farao sy ny mpanompony izany. 17 Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Lazao amin'ny rahalahinao: Izao no ataovy: atai­ngeno ny entana ho entin'ny bibinareo, ka mankanesa any amin'ny tany Kanana; 18 ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa aty amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin'ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin'ny tany hianareo. 19 Ary ankehitriny efa nomena teny hianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin'ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa aty. 20 Aza malahelo ny amin'ny fanakareo; fa ana­reo izay tsara eto amin'ny tany Egypta rehetra. 21 Ary nataon'ny zanak'Isiraely izany, ka dia nomen'i Josefa sariety izy, araka ny tenin'i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dàlana izy. 22 Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjami­na kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova. 23 Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy bori­kivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an'ny rainy ho entiny eny an-dàlana. 24 Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dàlana hianareo. 25 Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin'i Jakoba rainy tany amin'ny tany Kanana. 26 Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon'i Jakoba, fa tsy nino azy izy. 27 Dia nolazain'izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain'i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain'i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin'i Jakoba rainy 28 Ary hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_49
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_49.wav
1 ARY Jakoba namory ny zanani-lahy ka nanao hoe: Mivoria hianareo, mba ha­nambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany. 2 Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakala­hin'i Jakoba, eny, mihainoa an'Isiraely rainareo: 3 Ry ROBENA, lahimatoako hianao, heriko sy voalohan'ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan­-tombon-kery. 4 Mandroadroatra toy ny rano hianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin'ny fandrian'ny rainao hianao, tamin'izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia nia­karany! 5 SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany; 6 Aza mankeo amin'izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin'ny fiangonany. ry fanahiko; fa tamin'ny fahatezerany no namonoa­ny olona, ary tamin'ny fahasahisahiany no nana­traingoany omby. 7 Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany; hampihahakahaka azy eny amin'i Jako­ba aho, ary hanely azy eny amin'Isiraely. 8 Ry JODA, hoderain'ny rahalahinao hianao, ny tànanao ho ao amin'ny vozon'ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao. 9 Zana-diona, Joda, avy niremby hianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy! 10 Ny tehim-panjakana tsy hiala amin'i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan'ny tongony, mandra-pahatongan'i Silo, ka hanoa Azy ny firenena. 11 Mamatotra ny borikiny tanora eo amin'ny tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin'ny tahom-boaloboka tsara; nanasa ny fitafiany tamin'ny divay izy, ary ny akanjony tamin'ny ram-boaloboka. 12 Mangamanga ny masony azon'ny divay ary fotsy ny nifiny azon'ny ronono. 13 ZEBOLONA, ao amoron-dranomasina no honenany, dia ao amoron-dranomasina fitodian­-tsambo; ary ny sisin-taniny hifanolotra amin'i Sidona. 14 ISAKARA dia boriky henjana, mandry eo anelanelan'ny vala; 15 Ary hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra. 16 DANA hitsara ny olony tahaka ny anankiray amin'ny firenen'ny Isiraely. 17 Dana ho menarana ao amoron-dàlana, ho bibilava misy tandroka ao an-dàlana izy, izay manaikitra ny kitrokelin'ny soa­valy, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy. 18 Ny famonjenao no andrasako, Jehovah ô! 19 GADA, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika. 20 ASERA dia avy ao aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian'ny hanim-pin'andria­na. 21 NAFTALY dia dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy. 22 JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy. 23 Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy; 24 Kanefa mateza hery ny tsipikany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin'ny tànan'Ilay Maherin'i Jakoba, dia avy ao amin'ny Mpiandry, Izay Vatolampin'ny Isiraely, 25 Avy amin'ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao­ avy amin'ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin'ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin'ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin'ny nono sy ny kibo. 26 Ny tso-dranon'ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin'ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan'i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny rahalahiny. 27 BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo. 28 Ireo rehetra ireo no firenen'ny Isiraely roa ambin'ny folo; ary izany no nolazain'ny rainy taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy. 29 Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin'ny razako; aleveno ao amin'ny razako aho, dia ao anatin'ny zohy izay any amin'ny sahan'i Efrona Hetita, 30 ao anatin'ny zohy izay any amin'ny saha Makpela, izay tandrifin'i Mamre, any amin'ny tany Kanana, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevenana. 31 Tao no nandevenany an'i Abraha­ma sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an'Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an'i Lea, 32 ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin'ny taranak'i Heta. 33 ARY rehefa vitan'i Jakoba ny hafatra nataony tamin'ny zanani-lahy tehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin'ny razany.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_07
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_07.wav
1 Ary hoy lehovah tamin'i Noa: Midira ao anatin'ny sambo-fiara hianao mbamin'ny ankohonanao rehetra, satria hianao no hitako fa marina eo anatrehako amin'izao olona miara-belona aminao izao. 2 Ny biby madio rehetra isan-karazany dia hanalanao ho ao aminao fito avy, lahy sy vavy; ary ny biby tsy madio isan-karazany roa avy, lahy sy vavy; 3 ary ny voro-manidina koa isan-karazany fito avy, lahy sy vavy: mba tsy ho lany taranaka ambonin'ny tany rehetra ireny. 4 Fa raha afaka hafitoana, Izaho handatsaka ranonorana ambonin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina; ary ny zavatra velona rehetra izay, nataoko dia haringako tsy ho ambonin' ny tany. 5 Ary Noa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah azy. 6 Ary efa enin-jato taona Noa, raha tonga tambonin'ny tany ny safo-drano. 7 Ary Noa sy ny vadiny aman-janany , mbamin'ny vinantoni-vavy niaraka taminy dia niditra tao anatin'ny sambo-fiara mba tsy ho tratry ny safo-drano. 8 Ary Ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin'izay rehetra mandady na mikisaka amin'ny tany, 9 dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa. 10 Ary rehefa afaka hafitoana, dia tonga tambonin'ny tany ny safo-drano. 11 Tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa tamin'ny fahenin-jato taona niainan'i Noa, tamin'izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin'ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran'ny lanitra. 12 Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina. 13 Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin'ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin'i Noa, mbamin'ny vadin'i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy; 14 dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy,ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy. dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra. 15 Dia niditra tao amin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara ireo, dia tsiroaroa avy tamin'ny nofo rehetra izay manam-pofonaina. 16 Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin'ny nofo rehetra, araka izay nandidian'Andriamanitra an'i Noa; ary narindrin'i Jehovah tao izy. 17 Ary naharitra efa-polo andro tambonin'ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin'ny tany izy. 18 Ary nahery ny rano ka tonga betsaka indrindra tambonin'ny tany; dia nandeha teny ambonin'ny rano ny sambo-fiara. 19 Ary nahery dia nahery indrindra ny rano teny ambonin'ny tany, ka voasarona ny tendrombohitra avo rehetra izay tambanin'ny lanitra rehetra. 20 Dimy ambin'ny folo hakiho no nihoaran'ny rano, ka vosarona ny tendrombohitra. 21 Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin'ny tany, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny bibi-dia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany ary ny olona rehetra. 22 Izay rehetra nanam-pofonaina teo am-bavorony, avy tamin'izay rehetra teo amin'ny tany maina, dia maty avokoa. 23 Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin'ny tany, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin'ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara ihany no sisa velona. 24 Ary nahery tambonin'ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_42
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_42.wav
1 ARY fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia hoy izy tamin'ny zanani-lahy: Nahoana no mifampijery foana hianareo ? 2 Dia hoy koa izy: Indro, efa reko fa misy vary any Egypta; andeha midina any hianareo, ka mividia ho antsika, mba ho velona isika, fa tsy ho faty. 3 Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin'i Josefa mba hividy vary tany Egypta. 4 Fa Benjamina, rahalahin'i Josefa, tsy mba nampandehanin'i Jakoba niaraka tamin'ny rahalahiny; fa hoy izy: Andrao hisy loza hanjo azy. 5 Dia tonga ny zanak'Isiraely mba hividy vary niaraka tamin'izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana. 6 Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin'ny tompon-tany rehetra; ary to­nga ny rahalahin'i Josefa ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany. 7 Ary hitan'i Josefa ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy taminy nanao hoe: Avy aiza hianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin'ny tany Kanana izahay mba hividy hanina. 8 Ary fantatr'i Josefa ny rahalahiny, nefa izy ireo kosa tsy mba nahafantatra azy. 9 Ary Josefa nahatsiaro ireo nofy nanofisany azy ka nanao taminy hoe: Mpisafo hianareo; hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo. 10 Fa hoy izy ireo taminy: Tsia, tompokolahy; fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao. 11 Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny mpanomponao. 12 Ary hoy izy taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo. 13 Fa hoy izy; Roa ambin'ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin'ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony. 14 Ary hoy Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo ihany hoe: Mpisafo hianareo no marina; 15 dia izao àry no hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala aty hianareo, raha tsy tonga aty izany zandrinareo faralahy izany. 16 Iraho ny anankiray amina­reo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa hianareo hafatotra, mba hofantarina ny teni­nareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa hianareo. 17 Dia nataony tao an-trano-maizina hateloana izy rehetra. 18 Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia hoy Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona hianareo; fa izaho matahotra an'Andriamanitra: 19 Raha olo-marina ary hia­nareo, dia aoka ny anankiray aminareo mira­halahy avy no hafatotra ao amin'ny trano-maizina nitoeranareo; ary mandehana hianareo hitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo; 20 ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankaty amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy hovonoina hianareo. Ary nataony izany. 21 Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin'ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian'ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan'izao fahoriana izao amintsika. 22 Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin'ny zaza? nefa tsy mba nihaino hianareo; koa indro fa adinina ny rany izao. 23 Ary izy ireo tsy mba nahalala fa Josefa nahafantatra ny teniny, satria nisy mpandika teny niresahany taminy. 24 Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an'i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony. 25 Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan'ny isan-dahy ho ao anatin'ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-dàlana; dia nanao izany taminy izy. 26 Ary natainginy tamin'ny borikiny ny vary, dia lasa nandeha izy. 27 Ary raha noso­kafan'ny anankiray ny lasakany hampihina­nany ny borikiny teo amin'izay handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan'ny lasakany izany. 28 Dia hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin'ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon'Andriamanitra amintsika izao ? 29 Ary tonga tany amin'i Jakoba rainy, tany amin'ny tany Kanana izy, dia nambarany taminy izay rehetra efa nanjo azy, ka hoy izy: 30 Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon'ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo ny tany izahay. 31 Ary hoy izahay taminy: Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory; 32 roa ambin'ny folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny anankiray, ary ny faralahy dia any amin'ny rainay any amin'ny tany Kanana ankehitriny. 33 Dia hoy ralehilahy, tompon'ny tany, taminay: Izao ary no hahafantarako fa olo-marina hia­nareo: ny anankiray aminareo mirahalahy avy dia avelao aty amiko, ka mitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo, dia man­dehana; 34 ary ento mankaty amiko ny za­ndrinareo faralahy, dia ho fantatro fa tsy mba mpisafo hianareo, fa olo-marina; dia homeko anareo ny rahalahinareo, ka dia hanao varotra eto amin'ny tany hianareo. 35 Ary raha nandraraka izay tao anatin'ny lasakany izy ireo, dia, indro, ny volany am-ponosana samy teo anatin'ny lasakany avy; ary rehefa nahita ny volany am-ponosana izy sy ny rainy, dia samy raiki-tahotra. 36 Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foanana­reo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeo­na koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin'izany rehetra izany, 37 Ary Robena niteny tamin'ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina aty aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho aty aminao indray. 38 Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin'ny làlana izay halehana­reo, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo ny volo fotsiko.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_47
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_47.wav
1 ARY Josefa nankao amin'i Farao ka ni1aza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman-osiny sy ny ombiny mbamin'izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin'ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin'ny tany Gosena izy. 2 Ary ny dimy lahy tamin'ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan'i Farao. 3 Ary hoy Farao tamin'ireo rahalahin'i Josefa: Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy tamin'i Farao: Mpiandry ondry izahay mpanomponao hatramin'ny razanay. 4 Ary hoy koa izy tamin'i Farao: Mba hiva­hiny eto amin'ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an'ny ondry aman-osin'ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin'ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra hianao, aoka mba honina ao amin'ny tany Gosena ny mpanomponao. 5 Ary Farao dia niteny tamin'i Josefa ka nanao hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga aty aminao; 6 ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin'izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin'ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben'ny mpiandry ny omby aman-ondriko. 7 Dia nentin'i Josefa ho eo anatrehan'i Farao Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an'i Farao. 8 Ary hoy Farao tamin'i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao? 9 Dia hoy Jakoba tamin'i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan'ny razako tamin'ny andro nivahinia­ny. 10 Ary Jakoba, rehefa nisaotra an'i Farao, dia lasa niala teo anatrehany. 11 Dia namponenin'i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin'ny tany Egypta, dia tao amin'ny tany tsara indrindra, tao amin'ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian'i Farao. 12 Dia novelo­min'i Josefa tamin'ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin'ny ankohonan'ny rainy rehetra, araka ny isan'ny zanany avy. 13 Ary tsy nisy hanina teo amin'ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary. 14 Dia nangonin'i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia izay vidin'ny vary novidin'ny olona, ka nampidirin'i Josefa tao an-tranon'i Farao ny vola. 15 Ary rehefa lavokoa ny vola tany amin'ny tany Egypta sy tany amin'ny tany Kanana, dia nankeo amin'i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola. 16 Ary hoy kosa Josefa: Omeo ny omby aman-ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola. 17 Dia nentiny tany amin'i Josefa ny omby aman-ondriny, ka notakalozan'i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman-osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin'izany taona izany ho takalon'ny bibiny rehetra. 18 Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin'ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin'itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa lasan'itompokolahy avo­koa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason'itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay; 19 nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon'i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany. 20 Dia notakalozan'i Josefa ho an'i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan'i Farao ny tany. 21 Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin'ny tanàna hatramin'ny faran'ny faritr'i Egypta rehe­tra. 22 Ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin'i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen'i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny. 23 Dia hoy Josefa tamin'ny olona: Indro, efa voavidiko andro-any hianareo sy ny tani­nareo ho an'i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany. 24 Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an'i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin'izay ao an-tranonareo ary hohanin'ny zanakareo. 25 Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay hianao; aoka mba hahita fitia eto imason'itompokolahy izahay, dia ho mpanompon'i Farao. 26 Dia nataon'i Josefa ho làlana tany amin'ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an'i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin'ny mpisorona ihany no tsy mba lasan'i Farao. 27 Ary nonina tao amin'ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin'ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra. 28 Ary ny andro niainan'i Jakoba tao amin'ny tany Egypta dia fito ambin'ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan'i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona. 29 Ary rehefa antomotra ny andro hahafa­tesan'Isiraely, dia nampaka an'i Josefa zana­ny izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masina hianao, ataovy ato ambanin'ny feko ny tanànao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masina hianao aza alevina aty Egypta aho. 30 Fa rehefa lasa mody mandry any amin'ny razako aho, dia ho entinao hiala aty Egypta ka halevinao ao amin'hy fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho. 31 Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan'ny fara­fara Isiraely.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_27
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_27.wav
1 ARY rehefa antitra Isaka, ary pahina ny masony ka tsy nahita, dia niantso an'i Esao lahimatoany izy ka nanao taminy hoe: Anaka; ary hoy izy taminy kosa: Inty aho. 2 Ary hoy izy: Indro fa efa antitra aho, ka tsy fantatro izay andro hahafatesako; 3 koa ankehitriny, masina hianao, alao ny fitifiranao dia ny tranon-jàna-tsipikanao sy ny tsipi­kanao, ary mankanesa any an-tsaha, ka ihazao aho; 4 ary anaovy hanim-py aho araka ilay tiako, ka ento aty amiko hohaniko, mba hitso­fan'ny fanahiko rano anao, dieny tsy mbola maty aho. 5 Ary Rebeka nandre an'Isaka niteny tamin'i Esao zanani-lahy. Ary dia lasa nan­kany an-tsaha Esao nitady haza ho entiny. 6 Ary Rebeka niteny tamin'i Jakoba zanani­lahy ka nanao hoe: Indro, efa reko ny rainao niteny tamin'i Esao rahalahinao nanao hoe: 7 Ihazao aho, ka anaovy hanim-py hohaniko; dia hitso-drano anao aho eo anatrehan'i Jehovah, dieny tsy mbola maty aho. 8 Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin'izay asaiko ataonao. 9 Mankanesa kely any amin'ny ondry aman-osy, ka analao zanak'osy roa tsara aho; dia hataoko hanim-py ho an'ny rainao araka ilay tiany izany; 10 ary dia ho entinao any amin'ny rainao hohaniny, mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy. 11 Fa hoy Jakoba tamin-dRebeka reniny: Indro, Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, fa izaho lehilahy malambo hoditra kosa; 12 ary angamba hitsapa ahy ikaky, dia ho toy ny mpanandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko, fa tsy tso-drano. 13 Ary hoy ny reniny taminy: Aoka ho ahy ihany anaka, ny ozona ho anao; araho ihany ny teniko, ka mandehana, itondray aho. 14 Dia nandeha izy ka naka, ary nitondra tao amin'ny reniny; ary ny reniny kosa dia nanao hanim-py araka ilay tian'ny rainy. 15 Ary nalain-dRebeka ny fitafian'i Esao lahimatoany, dia ny tsara izay efa notehiriziny tao an-trano, ka nampitafiny an'i Jakoba zanany faralahy. 16 Ary ny hoditry ny zanak'osy dia nafonony ny tànany sy ny malambo­lambo amin'ny vozony; 17 dia natolony teo an-tànan'i Jakoba zanany ny hanim-py sy ny mofo izay efa namboariny. 18 Ary Jakoba nankany amin'ny rainy ka nanao hoe: Ry ikaky ô! ary hoy kosa izy: Inty aho; iza moa hianao, anaka? 19 Ary hoy Jakoba tamin-drainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanao araka izay nasainao natao­ko aho; masina hianao, miarena, dia mipe­traha, ka hano ny hazako, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy. 20 Ary hoy Isaka tamin'ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany hianao? Ary hoy izy: Satria Jehovah Andriamanitrao no nampahazo ahy. 21 Ary hoy Isaka tamin'i Jakoba; Mba manatona kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na Esao zanako tokoa hianao, na tsia. 22 Ary Jakoba nanatona an'Isaka rainy, ary izy dia nitsapa azy ka nanao hoe: Ny feo dia feon'i Jakoba, fa ny tànana dia tànan'i Esao. 23 Ary tsy nahafantatra azy izy, satria voloina tahaka ny tanan'i Esao rahalahiny ny tànany; dia notsofiny rano izy. 24 Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy. 25 Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan'ny zanako hihinanako, mba hitsofan'ny fanahiko rano anao. Ary dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy; ary nitondrany divay izy, dia nisotro. 26 Ary hoy Isaka rainy taminy: Mba mana­tona kely ka manoroha ahy, anaka. 27 Dia nanatona izy ka nanoroka azy; ary Isaka na­ndre ny fofon'ny fitafiany, dia nitso-drano azy ka nanao hoe: E! ny fofon'ny zanako. Dia tahaka ny fofon'ny saha izay nota­hin'i Jehovah. 28 Ary hanomezan'Andriamanitra anao anie ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany, ary vary sy ranom-boaloboka betsaka. 29 Hanompo anao anie ny firenena maro, Ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samy hafa. Ho tompon'ny rahalahinao anie hianao, ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao. Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao, ary hohasoavina anie izay manisy soa anao. 30 Ary rehefa vita ny nitsofan'Isaka rano an'i Jakoba, ary vao nidify Jakoba teo ana­trehan'Isaka rainy, dia niditra kosa Esao rahalahiny avy nihaza. 31 Ary izy koa nanao hanim-py ka nitondra azy tao amin'ny rainy; ary hoy izy tamin'ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin'ny hazan'ny zanany, mba hitsofan'ny fanahinao rano ahy. 32 Fa hoy Isaka rainy taminy: Iza indray moa hia­nao ? Ary hoy izy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa. 33 Ary toran-kovitra indrindra Isaka ka nanao hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra teto amiko, ary efa nihinanako izany rehetra izany, fony tsy mbola tonga hianao, ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy. 34 Raho vao ren'i Esao ny tenin'ny rainy, dia nitaraina mafy dia mafy izy ka nanao ta­miny hoe: Mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. 35 Ary hoy rainy: Tonga ny rahalahinao nanandoka ka nahalasa ny tso­dranonao. 36 Dia hoy Esao: Moa tsy mandia va ny anarany hoe Jakoba? fa efa namingana ahy indroa izy izao: ny fizokiako efa nalainy; ary, indro, ankehitriny lasany koa ny tsodranoko. Ary hoy kosa izy: Tsy mba nitahiry tso-drano ho ahy va hianao? 37 Dia namaly Isaka ka nanao tamin'i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, ary ny rahalahiny rehetra nomeko ho mpanompony; ary vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no hataoko aminao, anaka? 38 Ary hoy Esao tamin'ny rainy: Tso-drano iray ihany va no anao, ry ikaky? mba tsofy rano re aho, dia izaho koa, ry ikaky ô. Ary Esao dia nanandratra ny feony ka nitomany. 39 Dia namaly Isaka rainy ka nanao taminy hoe: Indro, tsy ho amin'ny tsiron'ny tany ny fonenanao, ary tsy ho amin'ny andon'ny lanitra avy any ambony; 40 Fa ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha mby amin'izay andro hahafahanao. Dia hotapahinao ny ziogany ho afaka amin'ny vozonao. 41 ARY Esao nanao fo-lentika tamin'i Jakoba noho ny tso-drano izay nataon-drainy taminy; dia hoy Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an'ikaky, dia hamono an'i Jakoba rahalahiko aho. 42 Ary nisy nanambara tamin-dRebeka izany tenin'i Esao zanany lahimatoa izany; dia naniraka nampaka an'i Jakoba zanany faralahy izy ka nanao taminy hoe: Indro, Esao rahalahinao mikasa hamaly ny nataonao ka hamono anao. 43 Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia any amin'i Labana anadahiko. 44 Ary mitoera any aminy andro vitsivitsy mandra-pahafaky ny fahatezeran'ny rahala­hinao, 45 eny, mandra-pahafaky ny fahateze­ran'ny rahalahinao aminao, ka ho hadinony izay nataonao taminy; dia haniraka aho ka hampaka anao any; hataoko ahoana no famoy anareo mirahalahy indray andro? 46 Ary hoy Rebeka tamin'Isaka: Tsy te-ho velona aho noho ireny zanakavavin'ny Hetita; raha maka vady amin'ny zanaka vavin'ny Hetita Jakoba, tahaka ireto izay avy amin'ny zazavavy tompon-tany koa hataoko inona ny aiko ?
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_50
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_50.wav
1 Ary Josefa nihohoka tamin'ny tavan'ny rainy ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy. 2 Ary nasain'i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpa­nompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an'Isiraely ny mpanao fanafody. 3 Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan'ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro. 4 Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin'ny tao an-tranon'i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna hianareo, lazao amin'i Farao, ka ataovy hoe: 5 Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin'ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin'ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra hianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina aty indray. 6 Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao. 7 Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpano­mpon'i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin'ny tany Egypta, 8 ary ny ankohonan'i Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman-osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin'ny tany Gosena. 9 Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny. 10 Ary rehefa tonga teo Goren-atada izy, izay ao an-dafin'i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa. 11 Ary rehefa hitan'ny Kananita tompon­tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin'ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin'i Jordana. 12 Ary ny zanakalahin'i Jakoba nanao ta­miny araka izay nandidiany azy, 13 dia nito­ndra azy tany amin'ny tany Kanana, ary na­ndevina azy tao amin'ny zohy amin'ny saha Makpela, tandrifin'i Mamre, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevcnana. 14 Ary rehefa voalevin'i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin'izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy. 15 Ary rehefa hitan'ny rahalahin'i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy. 16 Dia naniraka nankany amin'i Josefa izy ka nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola maty, 17 ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Josefa: Mamela re ny fahadisoan'ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan'ny mpanompon'ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo. 18 Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia nianko­hoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao. 19 Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon'Andriamanitra va aho? 20 Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andria­manitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin'izao anio izao, hamelona olona betsaka. 21 Koa ankehitriny, aza matahotra hianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy. 22 Ary Josefa sy ny ankohonan'ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan'i Josefa dia folo amby zato taona. 23 Ary hitan'i Josefa ny zafiafin'i Efraima; ny za­nak'i Makira koa, zanakalahin'i Manase, dia noraisin'i Josefa ho eo am-pofoany. 24 Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy ana­reo tokoa ka hitondra anareo hiala amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy. 25 Ary Josefa dia nampianiana ny zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto hianareo. 26 Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin'ny vata tany Egypta.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_15
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_15.wav
1 REHEFA afaka izany, dia tonga tamin'i Abrama ny tenin'i Jehovah tamin'ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao. 2 Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, ino­na no homenao ahy? fa izaho mandroso fa­hanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy. 3 Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin'ny ato an-tranoko no handova ahy. 4 Ary, indro, ny tenin'i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao. 5 Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy hianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao. 6 Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany. 7 Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao. 8 Ary hoy Izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho? 9 Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala. 10 Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. 11 Ary nidina teo amin'ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama. 12 Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian­tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy. 13 Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy. 14 Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem­-bevava izy. 15 Nefa hianao kosa ho any amin'ny razanao amin'ny fiadanana; ho tratranti­tra indrindra hianao vao hodi-mandry. 16 Fa raha mby amin'ny zafiafy, dia hiverina aty izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita. 17 Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan'ireo zavatra voasasaka ireo. 18 Tamin'izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Egypta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, 19 dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita 20 ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaita 21 ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasi­ta ary ny Jebosita.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_08
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_08.wav
1 Ary Andriamanitra nahatsiaro an'i Noa mbamin'ny bibi-dia rehetra ary ny biby fiompy rehetra, izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara; ary Andriamanitra nampandeha rivotra eran'ny tany, ka dia nihena ny rano. 2 Ary tampina ny loharanon'ny lalina sy ny varavaran'ny lanitra, ka nitsahatra ilay ranonorana nivatravatra avy tany an-danitra. 3 Ary nihena niandalana niala tamin'ny tany ny rano; ary rehefa afaka dimam-polo amby zato andro, dia efa nihena ny rano. 4 Dia nipetraka teo amin'ny tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin'ny andro fahafito ambin'ny folo tamin'ny volana fahafito. 5 Ary ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin'ny volana fahafolo; tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana fahafolo dia niseho ny tampon'ny tendrombohitra. 6 Ary rehefa afaka efa-polo andro, dia novohan'i Noa ny varavarankelin'ny sambo-fiara izay efa nataony. 7 Dia namoaka goaika anankiray izy, ary niverimberina mandra-paharitry ny rano tamin'ny tany iny. 8 Dia namoaka voromailala anankiray izay teo aminy izy, hizahany na efa kely ny rano tambonin'ny tany, na tsia. 9 Fa tsy hitan'i1ay voromailala izay hipetrahan'ny faladiany, dia niverina tamin'i Noa tao anatin'ny sambo-fiara izy, satria mbola nisy rano tambonin'ny tany rehetra; ary Noa naninjitra ny tànany ka nandray sy nampiditra azy ho ao aminy tao anatin'ny sambo-fiara. 10 Ary mbola niandry hafitoana koa izy; dia namoaka ilay voromailala tamin'ny sambo-fiara indray izy. 11 12 Ary mbola niandry hafitoana indray izy, dia namoaka ilay voromailala; ary tsy niverina teo aminy intsony iny. 13 Ary tamin'ny andro voalohany tamin'ny volana voalohany tamin'ny taona fahiraika amby enin-jato, dia ritra ny rano teo ambonin'ny tany; ary nanaisotra ny tafon'ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary, indro, efa maina ny tany. 14 Ary tamin'ny andro fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa, dia maina ny tany. 15 Ary Andriamanitra dia niteny tamin'i Noa ka nanao hoe: 16 Mivoaha amin'ny sambo-fiara hianao sy ny vadinao aman-janakao ary ny vinantonao vavy miaraka aminao. 17 Ary ny zava-manan-aina rehetra, izay eo aminao, avy tamin'ny nofo rehetra, dia ny vorona sy ny biby fiompy sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, dia ento mivoaka miaraka aminao; ary aoka hiteraka be eny ambonin'ny tany sy ho maro anaka ary hihabetsaka eny ambonin'ny tany ireny. 18 Dia nivoaka Noa mbamin'ny vadiny aman-janany ary ny vinantonivavy niaraka taminy; 19 Ny zava-manan-aina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin'izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin'ny tany dia samy nivoaka avy tao amin'ny sambo-fiara araka ny karazany. 20 Ary Noa dia nanorina alitara ho an'i Jehovah; ary ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra dia nanalany ka nataony fanatitra odorana teo ambonin'ny alitara. 8:21 Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin'ny olona Aho; fa ny fisainan'ny fon'ny olona dia ratsy hatramin'ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony Aho tahaka izay nataoko. 22 Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana, ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina,ary ny andro sy ny alina.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_05
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_05.wav
1 Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy; 2 lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin' ny andro namoronany azy. 3 Ary rehefa telo-nolo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta. 4 Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 5 Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia telo-nolo amby sivin-jato taona; dia maty izy. 6 Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan'i Seta, dia niteraka an'i Enosy izy. 7 Ary ny andro niainan'i Seta taorian'ny niterahany an'i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 8 Ary ny andro rehetra niainan'i Seta dia roa ambin'ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy; 9 Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan' i Enosy, dia niteraka an'i Kenana izy. 10 Ary ny andro niainan'i Enosy taorian'ny niterahany an'i Kenana dia dimy ambin'ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy; 11 Ary ny andro rehetra niainan' i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy. 12 Ary rehefa fito-nolo taona ny andro niainan'i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalila izy. 13 Ary ny andro niainan'i Kenana taorian'ny niterahany an'i Mahalalila dia efa-nolo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 14 Ary ny andro rehetra niainan'i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy. 15 Ary rehefa dimy amby enim-nolo taona ny andro niainan'i Mahalalila, dia niteraka an'i lareda izy. 16 Ary ny andro niainan'i Mahalalila taorian'ny niterahany an'i lareda dia telo-nolo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 17 Ary ny andro rehetra niainan'i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy. 18 Ary rehefa roa amby enim-nolo amby zato taona ny andro niainan'i Jareda dia niteraka an'1 Enoka izy. 19 Ary ny andro niainan'i lareda taorian'ny niterahany niterahany an'i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 20 Ary ny andro rehetra niainan'i lareda dia roa amby enim-nolo amby sivin-jato taona; dia maty izy. 21 Ary rehefa dimy amby enim-nolo taona ny andro niainan'i Enoka, dia niteraka an'i Metosela izy. 22 Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 23 Ary ny andro rehetra niainan'i Enoka dia dimy amby enim-nolo amby telon-jato taona. 24 Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra. 25 Ary rehefa fito amby valo-nolo amby zato taona ny andro niainan'i Metosela, dia niteraka an'i Lameka izy. 26 Ary ny andro niainan'i Metosela taorian'ny niterahany an'i Lameka dia roa amby valo-nolo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 27 Ary ny andro rehetra niainan'i Metosela dia sivy amby enim-nolo amby sivin-jato taona; dia maty izy. 28 Ary rehefa roa amby valo-nolo amby zato taona ny andro niainan'i Lameka, dia niteraka zazalahy izy; 29 ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hamnionona antsika amin'ny asantsika sy ny fisasaran'ny tànantsika noho ny tany izay voaozon'i Jehovah. 30 Ary ny andro niainan'i Lameka taorian'ny niterahany an'i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 31 Ary ny andro rehetra niainan'i Lameka dia fito amby fito-nolo amby fiton-jato taona; dia maty izy. 32 Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an'i Sema sy Hama ary lafeta izy.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_35
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_35.wav
1 ARY hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela hianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an'Andriamanitra Izay niseho taminao, fony hianao nandositra ny tavan'i Esao rahalahinao. 2 Dia hoy Jakoba tamin'izay tao an-tranony mbamin'izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo; 35:3 ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an'Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin'ny andron'ny fahoriako ary nomba ahy tamin'ny làlana izay nalehako. 4 Dia natolony teo amin'i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notànany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin'i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin'i Sekema ireo. 5 Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin'Andriamanitra nahazo ny tanàna man­odidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak'i Jakoba izy. 6 Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin'ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy. 7 Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El­betela no anaran'izany tany izany; fa teo no nisehoan'Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan'ny rahalahiny. 8 Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr'i Betela, teo amba­nin'ny hazo ôka; ary ny anaran'io dia nataony hoe Alona-bakota. 9 Ary Andriamanitra niseho indray tamin'i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy. 10 Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no ana­rany. 11 Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin'ny haterakao; 12 ary ny tany izay nomeko an'i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany. 13 Ary Andriamanitra niakatra niala tami­ny, teo amin'ilay niresahany taminy. 14 Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin'ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa. 15 Ary ny anaran'ny tany izay niresahan'Andriamanitra tami­ny dia nataon'i Jakoba hoe Betela. 16 DIA nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny. 17 Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza mata­hotra hianao; fa izato koa no zazalahy ho anao. 18 Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina. 19 Dia maty Rahely ka nalevina teo amin'ny làlana ma­nkany Efrata (Betlehema izany). 20 Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo ambonin'ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin'ny fasan-dRahely mandraka andro-any. 21 Dia lasa nifindra Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr'i Migdaledera. 22 Ary raha nonina teo amin'izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin'i Bila, vadi-tsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely. 23 Ary ny zanakalahin'i Jakoba dia roa ambin'ny folo mirahalahy: ny zanak'i Lea dia Robena, lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona; 24 ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjami­na; 25 ary ny zanak'i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly; 26 ary ny zanak'i Zilpa, ankizivavin'i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin'i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia. 27 Ary Jakoba nankany amin'Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona iza­ny), izay nivahinian'i Abrahama sy Isaka. 28 Ary ny andro niainan'Isaka dia valo­polo amby zato taona. 29 Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona any amin'ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zanani-lahy.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_40
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_40.wav
1 ARY taorian'izany ny mpitondra ka­poakan'ny mpanjakan'i Egypta sy ny mpanao mofony dia diso tamin'ny mpanjakan'i Egypta tompony. 2 Ary tezitra indrin­dra tamin'ireo tandapany roa lahy ireo Farao, dia tamin'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben'ny mpanao mofo. 3 Dia natao­ny tao an-trano-maizina izy roa lahy, tao an-­tranon'ny mpifehy ny mpiambina, tao anatin'ny trano-maizina izay nifatoran'i Josefa. 4 Ary Josefa notendren'ny mpifehy ny mpia­mbina ho eo amin'izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin'ny trano-maizina izy roa lahy. 5 Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon'ny mpanjakan'i Egypta, izay nifato­tra tao amin'ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy. 6 Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy. 7 Dia nanontanian'i Josefa ny tandapan'i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon'ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato hianareo ankehitriny? 8 Ary hoy izy roa lahy taminy: Nano­nofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin'Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masina hianareo, lazao amiko izany. 9 Dia nambaran'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka tamin'i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-­boaloboka teo anatrehako; 10 ary ilay tahom-boaloboka nisampana telo, ka nony nitsimoka izy, dia niposaka ny voniny, ary ny sampahony nahavanona voaloboka masaka. 11 Ary teny an-tànako ny kapoakan'i Farao; dia nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin'ny kapoakan'i Farao, dia natolotro teo an-tànan'i Farao ny Kapoaka. 12 Ary hoy Josefa taminy: Izao no heviny: Ny sampany telo dia hateloana. 13 Ato ana­tin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao hia­nao ka hampodiny ho ao amin'ilay nipetrahanao; dia hanolotra ny kapoakan'i Farao ho eo an-tanany hianao tahaka ilay fanao fahiny, fony hianao mpitondra kapoakany. 14 Fa mba tsarovy aho, rehefa mahita soa hianao, ka trarantitra hianao, iantrao aho, dia lazao amin'i Farao aho, ka avoahy amin'ity trano ity; 15 fa nangalarina mihitsy avy tany amin'ny tanin'ny Hebreo aho, ary aty koa tsy mba nanao izay tokony ho nanaovany ahy eto amin'ity lavaka ity aho,. 16 Ary rehefa hitan'ny lehiben'ny mpanao mofo fa tsara ny filazana ny hevitry ny nofy, dia hoy izy tamin'i J osefa: Izaho koa nanonofy, ka, indro, niloloha karaba telo feno mofo fotsy aho; 17 ary teo anatin'ny karaba ambo­ny indrindra dia nisy ny fihinan'i Farao samy hafa karazana rehetra fanaon'ny mpanao mofo; ary nohanin'ny vorona teo anatin'ny karaba izay nololohaviko izany. 18 Dia namaly Josefa ka nanao hoe: Izao kosa no heviny. Ny karaba telo dia hateloana. 19 Ato anatin'ny hateloana dia hasandratr'i Farao ho afaka aminao ny lohanao, (ka hahantony amin'ny hazo hianao) dia hohanin'ny vorona ny nofonao. 20 Ary tamin'ny andro fahatelo, izay nihe­renan'ny taona nahaterahan'i Farao, dia nanao fanasana ho an'ny mpanompony rehetra izy; dia nasandrany ny lohan'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka sy ny lohan'ny lehiben'ny mpanao mofo teo amin'ny mpanompony. 21 Ary ny lehiben'ny mpitondra kapoaka dia nampodiny tamin'ny fito­ndrany kapoaka indray, ka dia nanolotra ny kapoaka ho eo an-tànan'i Farao izy; 22 fa ny lehiben'ny mpanao mofo kosa dia nahanto­ny, araka izay efa nolazain'i Josefa tamin'izy roa lahy avy. 23 Kanjo tsy mba nahatsiaro an'i Josefa ilay lehiben'ny mpitondra kapoa­ka, fa nanadino azy.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_39
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_39.wav
1 ARY Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany. 2 Ary Jehovah nomba an'i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon'ilay Egyptiana tompony izy. 3 Ary hitan'ny tompony fa nomban'i Jehovah izy, ka izay rehetra natao­ny dia nambinin'i Jehovah avokoa teo aminy. 4 Ary Josefa nahita fitia teo imason'ny to­mpony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny. 5 Ary hatramin'izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin'izay rehetra nananany dia notahin'i Jehovah ny tranon'ilay Egyptiana noho ny amin'i Josefa; ary ny fitahian'i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha. 6 Dia navelany ho andraikitr'i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikàna sady tsara tarehy. 7 Ary taorian'izany ny vadin'ny tompony nanopy ny masony hijery an'i Josefa ka na­nao hoe: Avia handry amiko. 8 Dia nandà izy ka nanao tamin'ny vadin'ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa. 9 Tsy misy lehibe noho izaho raha amin'ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy hianao ihany, satria vadiny hianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin'Andriamanitra? 10 Ary na dia niteny tamin'i Josefa isan-andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy. 11 Ary tamin'ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin'izay. 12 Dia nisambotra azy tamin'ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe: Avia handry amiko; fa navelan'i Josefa teo an-tànany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano. 13 Ary rehefa hitan-­dravehivavy fa navelany teo an-tànany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy, 14 dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin'ny feo mahery aho; 15 ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano. 16 Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon'i Josefa, mandra-pahatongan'ny tompony tao an-trano. 17 Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy; 18 ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy. 19 Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany. 20 Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoe­ran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano maizina izy. 21 Nefa Jehovah nomba an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny trano-maizina. 22 Dia natolotry ny mpitandrina ny trano­maizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony. 23 Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_16
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_16.wav
1 ARY Saray, vadin'i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompo­vavy Egyptiana, Hagara no anarany. 2 Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masina hianao, mivadia amin'ny mpanompovaviko; anga­mba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray. 16:3 Ary rehefa nonina folo taona teo amin'ny tany Kanana Abrama, dia nalain'i Saray, vadin'i Abrama, Hagara Egyptiana mpano­mpovaviny, ka nomeny an'i Abrama vadiny mba hovadiny. 4 Dia nivady tamin'i Hagara izy, ka nanan-anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan-anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny. 5 Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan-anaka izy, dia na­taony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy hianao. 6 Ary hoy Abrama tamin'i Saray: Indro, eo an-tànanao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin'i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy. 7 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nahita azy teo ani1an'ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan'ilay loharano eo amin'ny làlana mankany Sora. 8 Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin'i Saray, avy taiza hianao? ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan'i Saray tompovaviko aho. 9 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Miverena any amin'ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao. 10 Ary hoy koa Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany. 11 Ary hoy indray Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Indro, manan­anaka hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny ana­rany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah. 12 Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tànan'ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy. 13 Ary Hagara nanao ny anaran'i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andria­manitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian'ny fahitana? 14 Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan'i Kadesy sy Bareda izany. 15 Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin'i Abrama; ary ny anaran'ny zanany izay na­terany dia nataon'i Abrama hoe Isimaela. 16 Ary efa enina amby valo-polo taona Abra­ma, raha Hagara niteraka an'Isimaela taminy.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_38
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_38.wav
1 ARY tamin'izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin'ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany. 2 Ary teo no nahitan'i Joda ny zanakavavin'i Soa, lehilahy Kana­nita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy. 3 Dia nanan-anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hae Era. 4 Dia nanan-anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana. 5 Dia nanan-anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany natao­ny hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin'ny niterahan'ny vadiny an'i Sela. 6 Ary Joda naka vady ho an'i Era lahima­toany, Tamara no anarany. 7 Fa ratsy fanahy teo imason'1 Jehovah Era, lahimatoan'i Joda; dia novonoin'i Jehovah izy. 8 Ary hoy Joda tamin'i Onana: Vadio ny vadin'ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao. 9 Ary fantatr'i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin'ny vadin'ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin'ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an'ny rahalahiny. 10 Ary ratsy teo imason'i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy. 11 Ary hoy Joda tamin'i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpito­ndratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben'i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy. 12 Ary rehefa ela, dia maty ny vadin'i Joda, dia ilay zanakavavin'i Soa; ary rehefa nionona ny alahelon'i Joda, dia niakatra tany amin'ny mpanety ondriny tany Timna izy sy Hira Adolamita sakaizany. 13 Dia nisy nanambara tamin'i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny. 14 Ary nanaisotra ny akanjony fanaon'ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin'i Enaima, izay eo amin'ny làlana mankany Timna; satria efa hitan'i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen'i Joda ho vadin'i Sela izy. 15 Ary hitan'i Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy. 16 Dia nivily nanatona azy teo amoron-dàlana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko hianao? 17 Dia hoy izy: Hampanatitra zanak'osy avy amin'ny ondry aman-osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va hianao mandra-pampanatitrao azy? 18 Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy rave­hivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tànanao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan-anaka taminy ravehivavy. 19 Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nana­la ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon'ny mpitondratena indray. 20 Dia nampitondrain'i Joda ilay Adolami­ta sakaizany ny zanak'osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy. 21 Dia nanontany ny olona teo amin'ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dàlana teo Enaima ? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo. 22 Dia niverina tany amin'i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain'ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo. 23 Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampa­nateriko ity zanak'osy ity, nefa hianao tsy nahita an-dravehivavy. 24 Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin'i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manananaka tamin'ny fijangaja­ngana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana. 25 Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin'ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon'ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna hianao, fantaro izay tompon'ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto. 26 Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin'i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy. 27 Ary tamin'ny andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony. 28 Ary ra­ha niteraka izy, dia niseho ny tànan'ny ana­nkiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin'ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany. 29 Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany. 30 Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin'ny tànany; dia natao­ny hoe Zera no anarany.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_02
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_02.wav
1 Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy. 2 Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony. 3 Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy. 4 Ary izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny namoronana azy, dia tamin'ny nanaovan'i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra: 5 Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin'ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin'ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany; 6 nefa nisy zavona niakatra avy tamin'ny tany ka nandena ny tany rehetra. 7 Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. 8 Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. 9 Ary nampanirin'i Jehovah Andriamanitra teo amin'ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. 10 Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra: 11 Ny anaran'ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena; 12 ary tsara ny volamena amin'izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla. 13 Ary ny anaran'ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra. 14 Ary ny anaran'ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin'i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata. 15 Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy. 16 Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-ralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin'ny saha dia azonao ihinanana ihany; 17 fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao. 18 Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19 Ary tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan-aina rehetra, dia izany no anarany. 20 Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin'ny bidi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy. 21 Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony. 22 Ary ny taolan-tehezana izay nalain'i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy. 23 Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin'ny taolako sy nofo avy amin'ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy. 24 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin'ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo. 25 Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_25
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_25.wav
1 ARY Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany. 2 Dia niteraka an'i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin'i Abrahama izy. 3 Ary Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima. 4 Ary ny zanakala­hin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak'i Ketora. 5 Dia natolotr'i Abrahama an'Isaka izay rehetra nananany. 6 Fa ny zanak'ireo vadi­tsindranony hafa, izay nananan'i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin'Isaka zanany hiantsinanana ho any amin'ny tany atsinanana. 7 Ary ny andro niainan'i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona. 8 Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin'ny razany izy. 9 Ary nalevin'Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin'ny zohy ao Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona, zanak'i Zohara Hetita, izay tandrifin'i Mamre, 10 dia ilay saha izay no­vinidin'i Abrahama tamin'ny taranak'i He­ta; tao no nandevenana an'i Abrahama sy Saraha vadiny. 11 Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin'Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin'i Bera-lahai-roy. 12 ARY izao no taranak'Isimaela, zanakalahin'i Abrahama izay naterak'i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin'i Saraha, tamin'i Abrahama: 13 Izao no anaran'ny zanakalahin'Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Ne­baiota, lahimatoan'Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama 14 sy Misma sy Doma sy Masa 15 sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Na­fisy ary Kedema. 16 Izy ireo no zanakalahin'Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin'ny folo araka ny fireneny. 17 Ary ny andro niainan'Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin'ny razany . 18 Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin'i Egypta amin'ny làlana mankany Asyria; nifanandrify tamin'ny rahalahiny rehetra no nitoerany. 19 ARY izao no taranak'Isaka, zanakalahin'i Abrahama: 20 Abrahama niteraka an'Isaka; ary efa­polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebe­ka, zanakavavin'i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin'i Labana Syria­na. 25:21 Ary Isaka nangataka tamin'i Jehovah ho an'ny vadiny, satria momba izy; ary no­henoin'i Jehovah ny fangatahany, dia nanananaka Rebeka vadiny. 22 Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola ve­lona? Dia lasa nanontany tamin'i Jehovah izy. 23 Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny. 24 Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony. 25 Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany. 26 Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr'i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin'ny niterahana azy mirahalahy. 27 Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day. 28 Ary Isaka tia an'i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an'i Jakoba. 29 Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka. 30 Dia hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy ho­haniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma). 31 Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao. 32 Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana? 33 Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin'i Jakoba ny fizokiany. 34 Ary Jakoba nanome an'i Esao mofo sy voan­emba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan'i Esao ny fizokiany.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_31
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_31.wav
1 ARY Jakoba nandre ny tenin'ny zana­kalahin'i Labana nanao hoe: Efa lasan'i Jakoba avokoa izay rehetra nananan'ny raintsika; ary avy tamin'ny fananan'ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao. 2 Ary hitan'i Jakoba ny tarehin'i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy. 3 Ary hoy Jehovah tamin'i Jakoba: Modia any amin'ny tanin'ny razanao sy any amin'ny havanao; ary homba anao Aho. 4 Ary Jakoba naniraka ka nampaka an-­dRahely sy Lea hankany an-tsaha ho any amin'ny ondry aman-osiny 5 ka nanao tami­ny hoe: Hitako ny tarehin'ny rainareo, fa tsy mba miramirana amiko tahaka ny taloha; fa Andriamanitry ny raiko no efa nomba ahy. 6 Ary fantatrareo fa tamin'ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo. 7 Fa ny rainareo efa namitaka ahy ka efa nanova ny karamako impolo; nefa tsy navelan'Andriamanitra ha­hatonga loza tamiko izy. 8 Raha nilaza hoe izy: Ny mara rehetra ho karamanao, dia nite­raka mara ny ondry aman-osy rehetra: ary raha nilaza hoe indray izy: Ny sadika rehetra ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry aman-osy rehetra. 9 Dia nalain'Andria­manitra ny fananan'ny rainareo ka nomeny ahy. 10 Ary rehefa mby amin'ny andro izay nikambanan'ny ondry aman-osy, dia nato­piko ny masoko, ka hitako tamin'ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin'ny ondrivavy sy ny osivavy. 11 Ary hoy Ilay Anje1in'Andriamanitra ta­miko tamin'ny nofy: Ry Jakoba; dia hoy iza­ho: Inty aho. 12 Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin'ny ondrivavy sy ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra nataon'i Labana taminao. 13 Izaho no Andriamanitr'i Betela, izay nano­soranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaingà ankehitriny hiala amin'ity tany ity, ka modia any amin'ny tany nahaterahanao. 14 Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon'ny rainay? 15 Tsy natao­ny toy ny vahiny va izahay? fa efa namidiny izahay sady nohaniny lalandava ny volanay rehetra. 16 Fa ny harena rehetra izay nalain'Andriamanitra tamin'ny rainay, dia anay sy an'ny zanakay izany; koa ankehitriny, izay rehetra nolazain'Andriamanitra taminao dia ataovy. 17 Dia niainga Jakoba, ka nampitaingeniny ny rameva ny zanany sy ny vadiny; 18 dia ni­tondra ny ombiny sy ny ondry aman-osiny rehetra izy, mbamin'ny fananana rehetra izay efa nohariny, dia ny omby aman-ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany amin'Isaka rainy any amin'ny tany Kanana. 19 Ary Labana efa lasa nandeha hanety ny ondry aman-osiny; dia nangalarin-dRahely ny sampin-drainy. 20 Ary Jakoba dia nanga­la-dia tamin'i Labana Syriana, fa tsy na­mbarany taminy ny amin'ny handosirany. 21 Ary nandositra izy ka nitondra ny fananany rehetra; dia niainga izy ka nita ny Ony, ary nizotra hankany an-tendrombohitra Gileada. 22 Ary tamin'ny andro fahatelo dia nisy nanambara tamin'i Labana fa lasa nandositra Jakoba. 23 Dia nitondra ny havany homba azy izy ka nanenjika azy làlan-kafitoana, dia nahatratra azy teo an-tendrombohitra Gileada. 24 Fa Andriamanitra nankeo amin'i Labana Syriana tamin'ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy. 25 Ary Labana dia nahatratra an'i Jakoba. Ary Jakoba dia efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitra; ary Labana sy ny havany kosa nanorin-day teo an-tendrombohitr'i Gileada. 26 Ary hoy Labana tamin'i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko hianao ka nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin'ny sabatra? 27 Nahoana no nandositra mangingina hianao ka nangala-dia tamiko; ary tsy nanambara tamiko hianao mba hanaterako anao amin'ny fifa1iana sy ny hira, amin'ny amponga-tapaka sy ny lokanga, 28 sady tsy mba navelanao hanoroka ny za­nako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao adaladala hianao. 29 Manan­kery hanisy ratsy anareo ny tànako; fa Andria­manitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy. 30 Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa hianao, satria manina ny tranon'ny rainao indrindra hianao, nahoana no nangalarinao ny andria­manitro ? 31 Dia namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Satria natahotra aho; fa hoy iza­ho: Angamba halainao an-keriny amiko ny zanakao-vavy. 32 Izay hahitanao ny andria­manitrao dia aza ve]omina; eto anatrehan'ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr'i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy. 33 Ary Labana niditra tao an-dain'i Jakoba sy tao an-dain'i Lea ary tao an-dain'ny ankiziny roa vavy, fa tsy nahita. Dia niala tao an-dain'i Lea izy ka niditra tao an-dain­dRahely. 34 Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin'ny laselin'ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran'ny lay rehetra, fa tsy nahita. 35 Ary hoy Rahely tamin'ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon'ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy. 36 Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin'i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin'i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy hianao? 37 Fa efa nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan'ny ha­vako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy, 38 Izao roa-polo taona izao no ni­toerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin'ny ondrinao aho. 39 Izay voaviraviram-biby tsy mba ne­ntiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tànako no nitadiavanao azy, na ny na­ngalarina andro, na ny nangalarina alina. 40 Nony antoandro matin'ny hain'andro aho, ary nony alina dia matin'ny fanala; ary nandositra ny masoko ny torimaso. 41 Izao roa­polo taona izao no nitoerako tany an-tranonao, ka efatra ambin'ny folo taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry aman­osinao, ary efa nanova ny karamako impolo hianao. 42 Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr'i Abrahama, Ilay nataho­ran'Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran'ny tanako ka nananatra anao halina. 43 Dia namaly Labana ka nanao tamin'i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako-vavy ary ireo zazalahy ireo dia zanako-lahy; ary ireo ondry aman-osy ireo dia ondry aman­-osiko; ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa; ary ahoana no hataoko anio amin'ireto zanako-vavy, na amin'ny zanany naterany? 44 Koa ankehitriny avia hanao faneke­na isika, dia izaho sy hianao, ka aoka ho vavo­lombelona amiko sy aminao izany. 45 Dia naka vato iray Jakoba ka nanangana azy ho tsangam-bato. 46 Ary hoy Jakoba tamin'ireo havany: Manangòna vato; dia naka vato izy, ka nataony antontany; ary dia nihinana teo anilan'ny antontam-bato izy rehetra. 47 Ary ny anaran'ny antontam-bato dia nataon'i Labana hoe Jegara-sahadota; fa Jakoba kosa nanao azy hoe Galeda. 48 Ary hoy Labana: Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio. Izany no nanaovany ny anarany hoe Galeda. 49 Ary nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: Jeho­vah hitazana ahy sy hianao, rehefa tsy mifankahita isika. 50 Raha tahiny hampahory ny zanako-vavy hianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho vavolombelona amintsika. 51 Ary hoy indray Labana tamin'i Jakoba: Indro ity antontam-bato ity, ary indro ity tsangam-bato ity izay naoriko eto anelanelantsika, izaho sy hianao; 52 dia aoka ho vavo­lombelona ity antontam-bato ity, ary aoka ho vavolombelona ity tsangam-bato ity, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy hihoaranaoity antontam-bato ity sy ity tsangam-bato ity hankaty amiko kosa hanisy ratsy. 53 Ny andriamanitr'i Abrahama sy ny andriamanitr'i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain'izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran'i Isaka rainy kosa no nianianan'i Jakoba. 54 Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny hava­ny mba hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina,
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_30
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_30.wav
1 Ary rehefa hitan-dRahely fa tsy mba niteraka tamin'i Jakoba izy, dia nialona ny rahavaviny izy, ka hoy izy tamin'i Jakoba: Mba omeo zaza aho, fa raha tsy izany, dia ho faty aho. 2 Dia nirehitra tamin-dRahely ny fahatezeran'i Jakoba, ka hoy izy: Solon'Andriamanitra, Izay nahamomba anao tsy hiteraka, va aho? 3 Ary hoy izy: Indro Bila ankizivaviko, vadio izy; dia hiteraka eo am­pofoako izy, mba hahazoako zaza aminy. 4 Dia nomeny azy Bila ankizivaviny ho vadiny; ary dia novadin'i Jakoba koa izy. 5 Dia nanan-anaka Bila ka niteraka zazalahy tamin'i Jakoba. 6 Ary hoy Rahely: Andriamanitra efa nanome ahy ny rariny sady efa nihaino ny feoko, ka nomeny zazalahy aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Dana. 7 Dia nanan-anaka indray Bila, ankizivavin­dRahely, ka niteraka zazalahy faharoany ta­min'i Jakoba. 8 Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin'ny raha­vaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany. 9 Ary rehefa hitan'i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an'i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin'i Jakoba koa. 10 Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia niteraka zazalahy ta­min'i Jakoba. 11 Ary hoy Lea: Manan-jara re aho! dia nataony hoe Gada ny anarany. 12 Ary Zilpa, ankizivavin'i Lea, dia nitera­ka zazalahy faharoany tamin'i Jakoba. 13 Ary hoy Lea: Sambatra aho, fa hataon'ny zanakavavin'ny olona hoe sambatra aho; dia nataony hoe Asera ny anarany. 14 Ary nivoaka nitsangantsangana Robena tamin'ny andro fijinjam-bary ka nahita dodaima naniry tany an-tsaha, dia nitondra azy ho any amin'i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin'i Lea: Veloma hianao, mba anomezo ahy kely ny dodaiman'ny zanakao. 15 Ary hoy izy taminy: Moa zavatra kely va ny naka­nao ny vadiko? dia halainao koa va ny dodaiman'ny zanako? Ary hoy Rahely: Aoka handry aminao ihany ary izy anio alina noho ny dodaiman'ny zanakao. 16 Ary nony hari­va, rehefa tonga avy tany an-tsaha Jakoba, dia nivoaka nitsena azy Lea ka nanao hoe: Ho ato amiko no halehanao; fa ny dodaiman'ny zanako no efa nakaramako anao tokoa. Dia nandry taminy izy tamin'iny alina iny. 17 Ary Andriamanitra nihaino an'i Lea, dia nanan-anaka izy ka niteraka zazalahy faha­diminy tamin'i Jakoba. 18 Ary hoy Lea: Efa nomen'Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin'ny vadiko ny ankizivaviko; dia nataony hoe Isakara ny anarany. 19 Dia nanan-anaka indray Lea ka niteraka zazalahy faheniny tamin'i Jakoba. 20 Ary hoy Lea: Efa nanome anjara soa ho ahy Andriamanitra; amin'izao vao hitoetra amiko ny vadiko, fa efa niteraka zaza enin-dahy ho azy aho; dia nataony hoe Zebolona ny ana­rany. 21 Ary rehefa afaka izany, dia niteraka zazavavy izy, ka nataony hoe Dina ny anarany. 22 Ary Andriamanitra nahatsiaro an-dRahe­ly, dia nihaino azy ka nampanan-anaka azy. 23 Ary nanan-anaka izy ka niteraka zazalahy; dia hoy izy: Efa nahafa-tondromaso ahy Andriamanitra. 24 Dia nataony hoe Josefa ny anarany, ka hoy izy: Jehovah anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa. 25 ARY rehefa niteraka an'i Josefa Rahely, dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Alefaso aho hankany amin'ny fonenako sy ny taniko. 26 Omeo ahy ny vadiko aman-janako, izay na­nompoako anao, dia handeha aho; fa fantatrao ny fanompoana izay nanompoako anao. 27 Ary hoy Labana taminy: Masìna hianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko, efa namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian'i Jehovah ahy. 28 Ary hoy koa izy: Tonony izay ho karamanao, dia homeko anao. 29 Ary hoy Jakoba taminy; Fantatrao ny nanompoako anao sy ny toetry ny omby aman-ondrinao tato amiko. 30 Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin'ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an'ny ao an-tranoko? 31 Ary hoy izy: Inona ary no homeko anao? Ary hoy Jakoba: Tsy hanome ahy na inona na inona hianao; raha hataonao amiko izao zavatra izao, dia mbola handrasako sy hotandremako ihany ny ondry aman-osinao: 32 Handeha hitety ny ondry aman-osinao rehetra aho anio ka hanavaka ny mara sy ny sada rehetra, ary ny mainty rehetra eo amin'ny ondry ary ny sada sy ny mara eo amin'ny osy; koa ireny no ho karamako. 33 Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin'ny andro ho avy, raha tonga hianao handinika ny karamako: izay rehetra tsy mara ary tsy sada eo amin'ny osy, ary izay tsy mainty eo amin'ny ondry, dia ho halatro izany. 34 Ary hoy Labana: Eny, aoka ho araka ny teninao ary. 35 Dia navahany tamin'izany andro izany ny osilahy sadika sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra teo amin'ny ondry; dia natolony teo an-tanan'ny zanani-lahy ireny. 36 Ary nasiany lalan­kateloana teo anelanelan'izy sy Jakoba; ary Jakoba niandry ny ondry aman-osin'i Labana sisa. 37 Ary Jakoba dia naka tsora-kazo maro tamin'ny hazo popola maitso sy tamin'ny hazo lozy sy tamin'ny hazo platana; ka nataony ofy vandana ireny hisehoan'ny fotsy izay teo amin'ny tsora-kazo. 38 Ary ireny tsora-kazo voaofiny ireny dia napetrany teo anoloan'ny ondry aman-osy, teo anatin'ny tavin-drano, dia teo amin'ny fisotroan-drano, izay nalehan'ny ondry aman-osy hisotro, ka nikambana teo ny lahy sy ny vavy, raha avy hisotro rano izy. 39 Dia nikambana tandrifin'ny tsora-kazo ny ondry aman-osy ka niteraka sadika sy mara ary sada. 40 Ary ny zanak'ondry navahan'i Jakoba, ary ny ondry sisa dia nataony manatrika ny sadika sy ny mainty rehetra teo amin'ny ondry aman-osin'i Labana; ary natokany izay ondry aman-osy ho azy ka tsy navelany hiharo tamin'ny ondry aman-osin'i Labana. 41 Ary na oviana na oviana no hikambanan'ny ondry aman-osy matanjaka, dia napetrak'i Jakoba teo anatin'ny tavin-drano teo anoloan'ny mason'ny ondry aman-osy ireny tsora-kazo ireny, mba hikambanany eo anilan'ny tsora-kazo. 42 Fa raha osaosa kosa ny ondry aman-osy, dia tsy mba napetrany teo ireny; ka dia ny osaosa no an'i Labana, fa ny matanjaka kosa no an'i Jakoba. 43 Dia nitombo harena indrindra ralehilahy ka nanana ondry aman-osy betsaka ary ande­vovavy sy andevolahy ary rameva sy boriky.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_11
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_11.wav
1 Ny nanaovan'ny olona ilay tilikambo tao Babela, sy ny nanorokoroan'Andriamanitra ny fitenin'ny olona. Ary ny tany rehetra dia iray fanononana sy iray fiteny. 2 Ary raha nifindrafindra niantsinanana ny olona, dia nahita tany lemaka tany amin'ny tany Sinara izy ka nonina teo. 3 Ary niresadresaka hoe izy: Andeha isika hanao biriky ka handotra azy tsara. Ary ny biriky na taony solom-bato, ary ny asfalta nataony solon­drihitra. 4 Ary hoy izy: Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lani­tra, dia hanao izay hahazoantsika laza, fandrao hiely eny ambonin'ny tany rehetra isika. 5 Dia nidina Jehovah hizaha ny tanàna sy ny tilikambo, izay nataon'ny zanak'olombelona. 6 Ary hoy Jehovah: Indro, iray foko ny olona, sady iray fanononana izy rehetra, ary ity vao fiandohan'ny hataony; koa izao dia tsy hisy azo sakanana na inona na inona izay saintsaininy hatao. 7 Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy. 8 Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin'ny tany rehetra; dia nitsahatra tsy nanao ny tanàna intsony izy. 9 Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela; fa tao Jehovah no nanorokoro ny fitenin'ny tany rehetra; ary tao no nampielezan'i Jehovah ny olona ho eny ambonin'ny tany rehetra. 10 Ny taranak'i Sema mandraka mby amin'i Tera, rain'i Abrama. Izao no taranak'i Sema: Rehefa zato taona Sema, dia niteraka an'i Arpaksada izy roa taona taorian'ny safo-drano. 11 Ary ny andro niainan'i Sema taorian'ny nite­rahany an'i Arpaksada dia diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zaza­vavy izy. 12 Ary rehefa dimy amby telo-polo taona ny andro niainan'i Arpaksada, dia niteraka an'i Sela izy. 13 Ary ny andro niainan'i Arpaksada taorian'ny niterahany an'i Sela dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 14 Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Sela, dia niteraka an'i Ebera izy. 15 Ary ny andro niainan'i Sela taorian'ny niterahany an'i Ebera dia telo amby efa-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 16 Ary rehefa efatra amby telo-polo taona ny andro niainan'i Ebera, dia niteraka an'i Palega izy. 17 Ary ny andro niainan'i Ebera taorian'ny niterahany an'i Palega dia telo-polo amby efa-jato taona; ary niteraka zaza­lahy sy zazavavy izy. 18 Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Palega, dia niteraka an-dReo izy, 19 Ary ny andro niainan'i Palega taorian'ny niterahany an-dReo dia sivy amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 20 Ary rehefa roa amby telo-polo, taona ny andro niainan-dReo, dia niteraka an'i Seroga izy. 21 Ary ny andro niainan-dReo taorian'ny niterahany an'i Seroga dia fito amby roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 22 Ary rehefa telo-polo taona ny andro niainan'i Seroga, dia niteraka an'i Nahora izy, 23 Ary ny andro niainan'i Seroga taorian'ny niterahany an'i Nahora dia roan-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 24 Ary rehefa sivy amby roa-polo taona ny andro niainan'i Nahora, dia niteraka an'i Tera izy. 25 Ary ny andro niainan'i Nahora taorian'ny niterahany an'i Tera dia sivy ambin'ny folo amby zato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 26 Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan'i Tera, dia niteraka an'i Abrama sy Nahora ary Harana izy: 27 Ny taranak'i Tera, sy ny nifindrany nankany Harana. Ary izao no taranak'i Tera: Tera niteraka an'i Abrama sy Nahora ary Harana; ary Harana niteraka an'i Lota. 28 Ary maty Harana, raha mbola teo anatrehan'i Tera rainy tany amin'ny tany nahaterahany, dia tao Oran'ny Kaldeana. 29 Ary Abrama sy Nahora dia samy naka vady ho azy: ny anaran'ny vadin'i Abrama dia Saray; ary ny anaran'ny vadin'i Nahora dia Milka, zanakavavin'i Harana, rain'i Milka sy rain'Iska. 30 Ary momba Saray; tsy nanan-janaka izy. 31 Ary Tera nitondra an'i Abrama zanany sy Lota zafiny, zanak'i Harana, ary Saray vinantoni-vavy, vadin'i Abrama zanany; dia niaraka taminy ireo ka niala tao Oran'ny Kaldeana hankany amin'ny tany Kanana; dia tonga tao Harana izy ka nonina tao. 32 Ary dimy amby roan-jato taona ny andro niainan'i Tera; dia maty tao Harana izy.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null
at01-Genesisy_toko_24
./audio/mg/train/at01-Genesisy_toko_24.wav
1 ARY Abrahama dia efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an'i Abrahama tamin'ny zavatra rehetra. 2 Ary hoy Abrahama tamin'i1ay lehiben'ny mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny nananany rehetra: Mba ataovy ato ambanin'ny feko ny tànanao; 3 fa ha­mpianianiko amin'i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, hianao, fa tsy haka vady ho an'ny zanako avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita izay iraisako monina hianao; 4 fa any amin'ny tanin-drazako sy amin'ny havako no halehanao haka vady ho an'Isaka zanako. 5 Ary hoy i1ay mpanompony taminy: Anga­mba tsy hety hiaraka amiko ho amin'ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin'ny tany izay nialanao va aho? 6 Ary hoy Abrahama taminy: Tandremo mba tsy ho entinao miverina any ny zanako. 7 Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Izay naka ahy niala tamin'ny tranon'ny raiko sy tamin'ny tany nahaterahako, sady niteny ta­miko sy nianiana tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity, dia Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an'ny zanako. 8 Ary raha tsy hety hiaraka aminao ny vehivavy, dia ho afaka amin'izao fampianianako anao izao hianao; fa izao ihany: aza entinao miverina any mihitsy ny zanako 9 Ary nataon'i1ay mpanompo tambanin'ny fen'i Abrahama tompony ny tanàny, ka nia­niana taminy ny amin'izany zavatra izany izy. 10 Ary ilay mpanompo naka rameva folo tamin'ny ramevan'ny tompony ka lasa, ary izay zava-tsoa nananan'ny tompony dia samy nitondrany avokoa; dia nandeha izy ka nankany Mesopotamia ho any an-tanànan'i Nahora. 11 Ary nampandohalehiny teo ivelan'ny tanàna tanilan'ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin'ilay fandehanan'ny vehivavy mpantsaka iny 12 Dia hoy izy: Jehovah ô, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko. 13 Indro, mija­nona eto anilan'ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin'ny mponina ao an-tanàna mivoa­ka hantsaka rano; 14 koa izay zazavavy hila­zako hoe: Mba areho kely ny sininao hisotroa­ko, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho: dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an'Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko. 15 Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak'i Betoela, zanakalahin'i Milka, vadin'i Nahpra, rahalahin'i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony. 16 Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra. 17 Ary ilay mpano­mpo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho. 18 Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka na­mpisotroiny ralehilahy. 19 Ary rehefa na­mpisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny rame­vanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro. 20 Ary dia nai­diny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin'ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin'ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an'ny ramevany rehetra izy. 21 Ary ralehilahy nandinika azy tsara sady nangina, mba hahafantarany na efa nambinin'i Jehovah ny nalehany, na tsia. 22 Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny ra­meva, dia nalain-dralehilahy ny kavin'orona volamena iray, lanjan'ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan'ny sekely folo, hatao amin'ny tànany; 23 ary hoy izy: Zanajovy moa hianao ? Mba lazao amiko. Ary moa misy azonay handriana va ao an-tranon'ny rainao? 24 Ary hoy izy taminy: Zanakavavin'i Betoe1a, zanakalahin'i Milka, izay naterany tamin'i Nahora, aho. 25 Ary hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano handria­nareo koa. 26 Dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo antrehan'i Jehovah, 27 ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr'i Abra­hama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny fami­ndrampony sy ny fahamarinany tamin'ny tompoko; fa izaho dia notantanan'i Jehovah teny an-dàlana ho aty an-tranon'ny havan'ny tompoko. 28 Dia lasa nihazakazaka razaza­vavy ka nanambara araka izany teny izany tamin'ny tao an-tranon'ny reniny. 29 Ary Rebeka nanana anadahy, Labana no anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo ivelany, teo am-pantsakana. 30 Ary rehefa hitany ny kavin'orona sy ny haba teny an-tànan 'ny anabaviny, sady efa reny ny tenin-dRebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko,­dia nankeo amin-dralehilahy izy; ary, indro, mbola nijanona teo ani1an'ny rameva teo am-pantsakana ralehilahy. 31 Ary hoy Labana: Miakara. ry ilay notahin'i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany hianao? fa izaho efa namboatra ny trano sy izay hitoeran'ny rameva. 32 Dia niditra tao an-trano ralehilahy; ary Labana dia namaha ny entana tamin'ny rameva ka nanome mololo sy vilona ho an'ny rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehila­hy sy ny tongotry ny olona izay nomba azy. 33 Dia nandroso hanina teo anoloany izy; fa hoy ralehi1ahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy efa voalazako ny raharahako. Ary hoy izy: Lazao ary! 34 Dia hoy ralehilahy: Mpanompon'i Abra­hama aho. 35 Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman-osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary ande­volahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky. 36 Ary rehefa antitra Saraha, vadin'ny to­mpoko, dia niteraka zazalahy tamin'ny to­mpoko izy; ary efa natolotry ny tompoko ho an'ny zanany izay rehetra ananany. 37 Ary efa nampianiana ahy ny tompoko ka nanao hoe: Aza maka vady ho an'ny zanako avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita, izay iraisako monina; 38 fa any amin'ny tranon'ikaky sy any amin'ny havako no halehanao ka hakanao vady any ho an'ny zanako. 39 Ary izaho namaly ny tompoko hoe: Angamba tsy hety hiaraka amiko ny vehivavy. 40 Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao, ary hianao haka vady ho an'ny zanako avy amin'ny havako sy amin'ny tranon'ikaky. 41 Dia ho afaka amin'ny fampianianako anao hianao, raha tonga any amin'ny havako; ary raha tsy manome anao ry zareo, dia ho afaka amin'ny fampianianako anao koa hianao. 42 Ary tonga andro-any teo amin'ny fantsa­kana aho, ka hoy izaho: Jehovah ô, Andria­manitr'i Abrahama tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao, 43 indro, mijanona eto anilan'ny fantsakana aho, koa izay zazavavy hivoaka hantsaka ka hilazako hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin'ny sininao aho, 44 ka hamaly hoe izy: Misotroa, ary hantsakako koa ny ramevanao: dia izy no aoka ho izay vehivavy voatendrin'i Jehovah ho an'ny zanakalahin'ny tompoko. 45 Ary raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin'ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy izaho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho. 46 Dia nampidininy faingana ny sininy hiala teo an-tsorony, ka hoy izy: Misotroa, ary ha­mpisotroiko koa ny ramevanao; dia nisotro aho, ary nampisotro ny rameva koa izy. 47 Dia nanontany azy aho ka nanao hoe: Zana­jovy moa hianao? Ary hoy izy: Zanak'i Betoela, zanakalahin'i Nahora, aho, izay naterak'i Milka taminy. Dia nataoko teo anorony ny kavin'orona, ary ny haba teny amin'ny tànany. 48 Dia niondrika aho ka nianko­hoka teo anatrehan'i Jehovah, dia nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin'ny làlana marina haka ny zanakavavin'ny rahalahin'ny tompoko, ho an'ny zanany 49 Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy ma­rina amin'ny tompoko hianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia. 50 Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin'i Jehovah no nisehoan'izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa. 51 Indro, Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin'ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain'i Jehovah. 52 Ary rehefa nandre ny tenin-dry zareo ilay mpa­nompon'i Abrahama, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehan'i Jehovah izy. 53 Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka vola­fotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny. 54 Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin'ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin'ny tompoko. 55 Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra aty aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy. 56 Fa hoy ralehilahy taminy: Aza sampona­nareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny ale­hako; alefaso aho mba hankany amin'ny tompoko. 57 Ary hoy izy ireo: Aoka ary hantsoinay ny zazavavy, ka hanontanianay izay teniny. 58 Dia niantso an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin'io lehilahy io va hianao? Ary hoy izy: Handeha aho. 59 Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon'i Abra­hama mbamin'ny olony izy. 60 Dia nitso­drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie hianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin'izay mankahala azy. 61 Ary niainga Rebeka mbamin'ny ankizi­vaviny ka nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka tamin-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha. 62 Ary Isaka efa tonga avy tamin'ny nale­hany tany Bera-lahai-roy; fa nonina tany amin'ny tany atsimo izy. 63 Ary Isaka nivoa­ka mba hieritreritra any an-tsaha, rehefa ni­tehin-ko hariva ny andro; dia nanopy ny masony izy ka nahita fa indrery nisy rameva avy manatona. 64 Ary Rebeka koa nanopy ny masony ka nahatazana an'Isaka; dia nidina faingana niala tamin'ny rameva izy. 65 Ary hoy izy tamin'ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany. 66 Ary dia na­mbaran'ilay mpanompo tamin'Isaka ny zavatra rehetra izay efa nataony. 67 Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain'i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-­dreniny.
0
null
null
null
Malagasy
null
mg
null

Dataset for ASR

Source :

Downloads last month
33